Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 14:39 - Baiboly Katolika

Dia lasa indray Izy nivavaka, ka ilay teny teo ihany no nataony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia lasa indray Izy niverina nivavaka ka namerina ilay teny teo ihany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nihataka indray i Jesoa ary namerina ny vavaka nataony teo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nihataka indray i Jesoa ary namerina ny vavaka nataony teo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia lasa indray Izy niverina nivavaka ka namerina ilay teny teo ihany.

Jereo ny toko



Marka 14:39
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny Jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy,


Miambena ianareo, ary mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»


Nony niverina indray Izy, dia nahita azy natory fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitan’izy ireo izay havaly Azy.


Ary nanao fanoharana tamin’izy ireo koa Izy, momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana.


Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo, mba hanalany an’io amiko,


Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,