Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 14:23 - Baiboly Katolika

Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandray kapoaka Izy ka nony efa nisaotra dia natolony azy ireo ary nisotroan’izy rehetra izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo nandray kalisy i Jesoa, ary nisaorany an’Andriamanitra izany ka nomeny ny mpianany sy nisotroan’izy rehetra;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo nandray kalisy i Jesoa, ary nisaorany an’Andriamanitra izany ka nomeny ny mpianany sy nisotroan’izy rehetra;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan’izy rehetra izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandray kapoaka Izy ka nony efa nisaotra dia natolony azy ireo ary nisotroan’izy rehetra izany.

Jereo ny toko



Marka 14:23
6 Rohy Ifampitohizana  

Raha efa izany, dia nandray ny kalisy Izy, ary rehefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe: «Isotroinareo rehetra ity;


Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: «Raiso, Vatako ity.»


Ary nolazainy taminy hoe: «Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro.


Dia nandray kalisy Izy ka nisaotra, ary nanao hoe: «Raiso ity, ka zarao aminareo;


Ny mitandrina ny andro, dia mitandrina ho an’ny Tompo; ny mihinana koa, mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana, tsy mihinana ho an’ny Tompo ihany koa, sady misaotra an’Andriamanitra izy.


Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va?