Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 13:2 - Baiboly Katolika

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Hitanao va ireo rafitra lehibe ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy Jesosy: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy i Jesoa taminy: –Hitanao ve ireo rafitra miezinezina ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy i Jesoa taminy: –Hitanao ve ireo rafitra miezinezina ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy Jesosy: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.

Jereo ny toko



Marka 13:2
10 Rohy Ifampitohizana  

i Mikea avy any Môresheta dia naminany, ka nilaza tamin’ny vahoakan’i Jodà rehetra hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Hasaina toy ny tanimboly i Siôna; hanjary antontan-java-drava i Jerosalema ary havoana miboalaboala ny tendrombohitra misy ny tempoly.


Koa noho ny aminareo, i Siôna hanjary saha asaina, i Jerosalema ho tonga antontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Tempoly ho fitoerana avo misy hazo!


fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: «Hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy hisy vato havela hifanongoa eo izay tsy horavana.»


«Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.»


Efa renay nilaza izy fa ilay Jesoa avy any Nazareta, hono, dia handrava ity fitoerana ity, sy hanova ny fanao nomen’i Môizy antsika.»


Avelao anefa fa aza refesina ny efitrano fidirana ivelan’ny tempoly, satria efa nomena ny Jentily io, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efapolo volana izy, sy ny ôtely, mbamin’izay mivavaka ao.