Nandroso ny tanany ny mpampahory naka ny zava-tsoany rehetra; fa hitany ny firenena, niditra tao amin’ny fitoerany masina, dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe: Tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao izy!
Marka 13:14 - Baiboly Katolika «Ary raha hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy ny fahavetavetan’ny fandravana (aoka hahafantatra izay mamaky ity), dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa rehefa hitanareo mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany «ilay mpandrava mahatsiravina» (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia; DIEM PROTESTANTA –Ho hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy «ilay fanimbazimbana mahatsiravina.» (Aoka hahazo tsara izay mamaky). Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ho hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy «ilay fanimbazimbana mahatsiravina.» (Aoka hahazo tsara izay mamaky). Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha hitanareo mitsangana amin’izay tsy mety hitsanganany „ny fahavetavetan’ny fandravana” (Dan. 12.11; 9.27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. Malagasy Bible Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. La Bible en Malgache Fa rehefa hitanareo mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany «ilay mpandrava mahatsiravina» (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia*; |
Nandroso ny tanany ny mpampahory naka ny zava-tsoany rehetra; fa hitany ny firenena, niditra tao amin’ny fitoerany masina, dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe: Tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao izy!
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy misy hiditra ao amin’ny fitoerako masina amin’ireo taranaky ny hafa firenena tsy mifora fo na mifora nofo akory, rehefa mety ho taranaky ny hafa firenena eo amin’ny zanak’i Israely.
Ry kristianina havana, aoka tsy ho zaza amin’ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin’ny fisainana e.
Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana.
Eto no ilàna fahendrena! Ka aoka izay manan-tsaina hamantatra ny isan’ny Biby, fa isa milaza olona izany, ary enina amby enimpolo sy enin-jato izany isa izany.