Misy firaisan-tetiky ny mpaminaniny eo afovoany. Toy ny liona mierona mamiravira ny hazany, dia mihinana ny fanahy izy ireo; mifaoka ny fananana sy ny rakitra, mampitonbo isa ny mpitondratenany eo afovoany.
Marka 12:40 - Baiboly Katolika Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fisehoana ivelany. Ireo dia hahazo fanamelohana mafimafy kokoa. DIEM PROTESTANTA Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa. Baiboly Protestanta Malagasy ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa. Malagasy Bible ary mandany ny tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa. La Bible en Malgache ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fisehoana ivelany. Ireo dia hahazo fanamelohana mafimafy kokoa. |
Misy firaisan-tetiky ny mpaminaniny eo afovoany. Toy ny liona mierona mamiravira ny hazany, dia mihinana ny fanahy izy ireo; mifaoka ny fananana sy ny rakitra, mampitonbo isa ny mpitondratenany eo afovoany.
Tsiriritiny ny saha ka alainy, ny trano koa ka lasany; anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.
Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Mila loza ianareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny fivavahanareo lavareny no entinareo mihinana ny fananan’ny mpitondratena; izany no vao mainka hahamafimafy kokoa ny fanamelohana anareo.
«Ry bibilava, taranaky ny menarana, ataonareo ahoana no fandositra tsy hohelohina ho any amin’ny gehen’afo?
Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny Jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy,
ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagoga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana.
fa mifetsy ny fananan’ny mpitondratena amin’ny fivavahana lavareny ataony mba ho fieboana fotsiny, ka hohelohina mafimafy kokoa izy.»
Eny, mandefitra tokoa ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy maka ny anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.
Fa anisan’izany ireo mitsofoka any an-tranon’ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran’ny ota sy tarihin’ny filana maro,