Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 23:14 - Baiboly Katolika

14 Mila loza ianareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny fivavahanareo lavareny no entinareo mihinana ny fananan’ny mpitondratena; izany no vao mainka hahamafimafy kokoa ny fanamelohana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ny mpitondratena, dia manao vavaka lavareny mba ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fanamelohana mafimafy kokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa tapitrareo ny fananan’ny mpitondratena ary vavaka lavareny no mody ataonareo hisehosehoana; noho izany, dia hohelohina mafimafy kokoa ianareo.]

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa tapitrareo ny fananan’ny mpitondratena ary vavaka lavareny no mody ataonareo hisehosehoana; noho izany, dia hohelohina mafimafy kokoa ianareo.]

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 (Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon'ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ny mpitondratena, dia manao vavaka lavareny mba ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fanamelohana mafimafy kokoa.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 23:14
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpitondratena nampodianao maina ary tapaka ny sandrin’ny kamboty.


Raha nandà ny hataky ny mahantra aho; raha nahavalalanina foana ny mason’ny mananotena aho;


«Aza manao izay hampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty;


Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana noho ny hatao aminao.»


Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.


«Ry bibilava, taranaky ny menarana, ataonareo ahoana no fandositra tsy hohelohina ho any amin’ny gehen’afo?


Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa».


fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa.»


fa mifetsy ny fananan’ny mpitondratena amin’ny fivavahana lavareny ataony mba ho fieboana fotsiny, ka hohelohina mafimafy kokoa izy.»


Fa anisan’izany ireo mitsofoka any an-tranon’ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran’ny ota sy tarihin’ny filana maro,


Fa maro no manohitra sy mpanao laha-pahitra ary manambosy ny sasany, indrindra fa amin-dry zareo voafora,


Ry kristianina havako, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay.


Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo.


Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra