mifandiditra eo amin’ny korontam-bato ny fakany; tafalentika hatreo ambanin’ny vato izy.
Marka 11:20 - Baiboly Katolika Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo, dia hitan’ny mpianany fa maina hatramin’ny fotony ilay aviavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony maraina ny andro, raha nandalo izy ireo, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ny fotony ilay hazo aviavy. DIEM PROTESTANTA Nandalo teo amin’ilay aviavy ry zareo ny ampitso maraina, ka nahita ity hazo maina hatramin’ny fakany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nandalo teo amin’ilay aviavy ry zareo ny ampitso maraina, ka nahita ity hazo maina hatramin’ny fakany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ny fakany ilay aviavy. Malagasy Bible Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin'ny fakany ilay aviavy. La Bible en Malgache Nony maraina ny andro, raha nandalo izy ireo, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ny fotony ilay hazo aviavy. |
mifandiditra eo amin’ny korontam-bato ny fakany; tafalentika hatreo ambanin’ny vato izy.
Vao nambolena ireo, vao nafafy ireo, vao latsa-paka amin’ny tany ny fotony, dia tsofiny ka malazo, ary nindaosin’ny ranonoram-baratra hoatra ny vodivary.
Inona moa no mbola tokony ho natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy nataoko taminy? Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany, kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy?
Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Ny voly rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana.
Dia hoy Izy tamin’ny aviavy: «Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay,» ary ren’ny mpianany izany.
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
fa hàlany sy efa hozoniny kosa raha maniry tsilo sy hery, ka ny hodoran’ny olona no hiafarany.
Amin’ny sakafo iarahanareo mihinana, dia ireo no vato manafintohina, miletra tsy aman-kenatra, tsy mihevitra afa-tsy ny hamoky tena. Rahona tsy misy rano ireo, ka avoivoin’ny rivotra befahatany; hazo fararano, ka sady tsy am-boa no indroa maty sy voaongotra;