Rehefa nomban’Andriamanitra fanampiana ny Levita izay nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, dia namono ombalahy enina sy ondralahy enina natao sorona ny olona.
Malakia 3:4 - Baiboly Katolika ary hankasitrahin’i Iaveh toy ny tamin’ny andro taloha, toy ny tamin’ny taona fahiny, ny fanatitr’i Jodà sy i Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia ho mamin’NY TOMPO, toy ny tamin’ny andro fahiny sy toy ny tamin’ny taona taloha, ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema. DIEM PROTESTANTA Ary ho mamin’ny TOMPO ireo fanatitry ny vahoakan’i Joda sy i Jerosalema toy ny tamin’ny andro taloha sy tamin’ny taona fahiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ho mamin’ny TOMPO ireo fanatitry ny vahoakan’i Joda sy i Jerosalema toy ny tamin’ny andro taloha sy tamin’ny taona fahiny. Baiboly Protestanta Malagasy Dia ho mamin’i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin’ny andro fahiny sy toy ny tamin’ny taona taloha. Malagasy Bible Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha. La Bible en Malgache Dia ho mamin’NY TOMPO, toy ny tamin’ny andro fahiny sy toy ny tamin’ny taona taloha, ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema. |
Rehefa nomban’Andriamanitra fanampiana ny Levita izay nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, dia namono ombalahy enina sy ondralahy enina natao sorona ny olona.
Dia nanangana ôtely teo i Davida, ho an’i Iaveh, ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Izy niantso an’i Iaveh, ary i Iaveh namaly azy tamin’ny afo avy any an-danitra latsaka teo amin’ny ôtely nisy ny sorona dorana.
Dia tao ihany, teo ambonin’ilay ôtely varahina, teo anoloan’i Iaveh, akaikin’ny trano lay fihaonana, no nanoloran’i Salômôna sorona dorana arivo.
Fa fanahy torotoro no sorona ho an’Andriamanitra; aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo.
dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina, sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorona aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra
Izao no lazain’i Iaveh: «Tafaverina eto i Siôna Aho, ka te honina eo afovoan’i Jerosalema; i Jerosalema hantsoina hoe: ny tanànan’ny fahamarinana; ary ny tendrombohitr’i Iavehn’ny tafika, hatao hoe: ny tendrombohitry ny fahamasinana.»