telo hakiho ny haavony, roa hakiho ny halavany: nisy zorony izy, ary hazo ny rindriny manaraka ny halavany rehetra. Dia hoy izy tamiko: Io no latabatra eo anatrehan’i Iaveh.
Malakia 1:7 - Baiboly Katolika Tamin’ny inona no nanamavoanay ny Anaranao? - Amin’ny fitondranareo mofo voaloto eo amin’ny ôteliko. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nandotoanay Anao? - Amin’ny fanaovanareo hoe: Zavatra tsy manjary ny latabatr’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako, nefa hoy ianareo hoe: Amin’inona no andotoanay Anao? Amin’ny filazanareo hoe: Ny latabatry NY TOMPO dia fanimbazimba. DIEM PROTESTANTA Mitondra hanina tsy mendrika Ahy eo amin’ny alitarako ianareo, nefa manontany hoe: «Amin’inona no anaovanay zavatra tsy mendrika Anao?» Ka hoy Aho hoe: Amin’ny fanimbazimbanareo ny alitarako! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mitondra hanina tsy mendrika Ahy eo amin’ny alitarako ianareo, nefa manontany hoe: «Amin’inona no anaovanay zavatra tsy mendrika Anao?» Ka hoy Aho hoe: Amin’ny fanimbazimbanareo ny alitarako! Baiboly Protestanta Malagasy Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako. Nefa hianareo manao hoe: Amin’inona no andotoanay Anao? Amin’ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr’i Jehovah dia fanazimbazimba. Malagasy Bible Amin'ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin'ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin'inona no andotoanay Anao ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia fanazimbazimba. La Bible en Malgache Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako, nefa hoy ianareo hoe: Amin’inona no andotoanay Anao? Amin’ny filazanareo hoe: Ny latabatry NY TOMPO dia fanimbazimba. |
telo hakiho ny haavony, roa hakiho ny halavany: nisy zorony izy, ary hazo ny rindriny manaraka ny halavany rehetra. Dia hoy izy tamiko: Io no latabatra eo anatrehan’i Iaveh.
Izy ireo no hiditra ao amin’ny fitoerako masina; izy ireo no hanatona ny latabatro hanao ny fanompoana Amiko ary hitandrina ny fitsipiko izy.
«Ny fanatitra rehetra aterinao ho an’i Iaveh dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh rehefa zavatra misy lalivay na tantely.
Ho masina ho an’ny Andriamaniny izy, ary tsy hanevateva ny Anaran’ny Andriamaniny, satria izy ireo dia manolotra amin’i Iaveh ny sorona dorana amin’ny afo, ny mofon’ny Andriamaniny, ho masina izy.
Hataonao masina izy, fa manolotra ny mofon’ny Andriamanitrao, ka ho masina ho anao, satria masina Aho Iaveh, izay manamasina anareo.
Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»
Ianareo kosa anefa mandoto azy, amin’ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’i Iaveh, ary ny vokatra avy aminy, dia hanina tsinontsinona.
Ka hoy ianareo: inty! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory Izy, hoy i Iavehn’ny tafika. Entinareo avokoa, na ny zava-nofetsena, na ny biby mandringa sy marary, dia izany no aterinareo ho fanolorana! Ka azoko ankasitrahina va izay avy amin’ny tananareo? hoy i Iaveh.
Raha biby jamba no aterinareo hatao sorona, tsy ratsy va izany? Ary raha ny mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy va izany? Mandehana ange manatitra izany amin’ny governoranao e! Hahazo sitraka aminy va ianao; hahita fitia aminy ianao? hoy i Iavehn’ny tafika.
tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa.
Raha manan-kilema anefa izy, fa mandringa na jamba na misy kilema ratsy hafa na inona na inona, dia aza atolotra ho sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao,