Ka ny lohafiangonana hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan’i Iaveh.
Levitikosy 8:18 - Baiboly Katolika Dia nasainy naroso ny ondralahy hatao sorona dorana, ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ondralahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia noentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana manontolo; ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny ondrilahy i Arona sy ireo zanany. DIEM PROTESTANTA Dia nasain’i Mosesy nampanatonina koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ny ilay ondrilahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nasain’i Mosesy nampanatonina koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ny ilay ondrilahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin’ny lohan’ny ondrilahy. Malagasy Bible Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy. La Bible en Malgache Dia noentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana manontolo; ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny ondrilahy i Arona sy ireo zanany. |
Ka ny lohafiangonana hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan’i Iaveh.
«Alao i Aarôna sy ny zanany miaraka aminy, ny fanamiana, ny diloilo fanosorana, ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ny ondralahy roa, ary ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay;