Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 8:1 - Baiboly Katolika

Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

Jereo ny toko



Levitikosy 8:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Nanome ny tanàna, mbamin’ny tany fiandrasam-biby momba azy, ho an’ny Levita ny zanak’i Israely.


I Môizy sy i Aarôna dia anisan’ireo mpisorony, ary i Samoela isan’ireo miantso ny Anarany, dia niantso an’i Iaveh, ka novaliany.


«Asaovy manatona anao i Aarôna rahalahinao, mbamin’ny zanany, ao amin’ny zanak’i Israely, mba ho mpisorona amin’ny fanompoana Ahy, dia i Aarôna, i Nadaba, i Abiò, i Eleazara, ary i Amôra, zanak’i Aarôna.


«Hampiakanjoinao i Aarôna rahalahinao, sy ny zanany koa, hosoranao izy, hatokanao izy, ho hamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana Ahy.


«Izao no ataovy amin’ny fanamasinana azy ireo ho mpisorona ho Ahy: Makà vantotr’ombalahy iray sy ondralahy roa, samy tsy misy kilema.


«Ny fanamiana masin’i Aarôna dia ho an’ny zanany handimby azy koa, ka hatafy azy izany, rehefa avy izay hanosorana azy sy hanokanana azy;


I Aarôna sy ireo zanany samy etrao amin’ny fehikibo; ary ireo zanak’i Aarôna ampisatrohy mitra. Dia ho azy ireo, amin’ny lalàna mandrakizay ny fisoronana; ary hanokana an’i Aarôna sy ireo zanany ianao.»


Dia vita ny zavatra rehetra momba ny Fonenana, ny trano lay fihaonana; sady tanteraky ny zanak’i Israely araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy avokoa. Izany no nataony.


Hasainao handroso ho eo akaikin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana i Aarôna sy ireo zanany, ka hanadio azy amin’ny rano ianao.


izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy tany an-tendrombohitra Sinaia, tamin’ny andro nandidiany ny zanak’i Israely hanatitra ny fanatiny amin’i Iaveh tany an’efitra Sinaia.


«Alao i Aarôna sy ny zanany miaraka aminy, ny fanamiana, ny diloilo fanosorana, ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ny ondralahy roa, ary ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay;


Ireo no anaran’ny zanak’i Aarôna, dia ireo mpisorona nandray ny fanosorana, voatokana hanao ny fisoronana.