Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 5:2 - Baiboly Katolika

Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin’izany, ka nahazo fahotana;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha misy mahakasika zavatra tsy madio, na fatin’ny biby tsy madio, na fatin’ny biby fiompy tsy madio, na fatin’ny biby mandady na mikisaka tsy madio, na tsy hitany aza izany, dia maloto sy meloka noho izany izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Raha misy olona mahakasika tsy nahy zavatra maloto, toy ny fatim-biby maloto rehetra na bibidia na biby fiompy na biby mandady, dia manjary voaloto izy ary meloka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Raha misy olona mahakasika tsy nahy zavatra maloto, toy ny fatim-biby maloto rehetra na bibidia na biby fiompy na biby mandady, dia manjary voaloto izy ary meloka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin’ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin’ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin’ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany,–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin'ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin'ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin'ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha misy mahakasika zavatra tsy madio, na fatin’ny biby tsy madio, na fatin’ny biby fiompy tsy madio, na fatin’ny biby mandady na mikisaka tsy madio, na tsy hitany aza izany, dia maloto sy meloka noho izany izy.

Jereo ny toko



Levitikosy 5:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpanomponao koa dia hazavain’ireny; ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy.


«Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo; aza mikasika izay maloto. Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo, izay mitondra ny fanak’i Iaveh.


Ho fahavetavetana aminareo ireny, ka aza mihinana ny henany, ary ataovy zava-betaveta ny fatiny.


Koa aza mihinana ny henany, na mikasika izay fatiny akory, fa maloto aminareo ireny.»


Raha ny fiangonan’i Israely rehetra no nanota tsy nahy, fa tsy voatandrin’ny masony izany, ka nahavita zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao izy, ary tonga meloka tamin’izany,


Raha misy olona manota, fa nahavita tsy nahy ny anankiray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, dia ho meloka izy sady hivesatra ny otany.


toy izany koa izy, raha nahakasika tsy nahy fahalotoan’olona, na inona na inona izany, izay mety hahatonga ho maloto, ka mahita nony avy eo, dia mahazo fahotana izy.


Raha misy olona latsa-bava, mianiana hanao soa na ratsy, na inona na inona voalazany amim-pianianana tsy voahevitra, nefa tsy nahafantatra izany izy, fa atỳ aoriana vao fantany, dia mahazo fahotana izy amin’ny iray amin’ireo zavatra ireo.


Ary izay nikasi-java-maloto, na loton’olona na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, raha mihinana amin’ny henan’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny izany olona izany.


Ary hoy i Akjea: Raha olona voaloto amim-paty kosa no mikasika an’izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho voaloto izany.


Ny zavatra rehetra kasihin’izay maloto, dia haloto, ary ny olona mikasika azy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.


Mila loza ianareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.


Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy ianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto;


toy izany koa ny kisoa, mivaky kitro ihany izy fa tsy mandinika, haloto aminareo izy, koa aza mihinana ny henany, aza mikasika ny fatiny.