Hivory ao aminao ny biby fiompy rehetra any Sedara; hozakainao ny ondralahin’i Nabaiôta, hiakatra ho fanatitra ankasitrahina eo ambony ôteliko ireny, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ny voninahitrao.
Levitikosy 3:6 - Baiboly Katolika «Raha biby madinika, lahy na vavy, no aterina ho sorom-pihavanana amin’i Iaveh, dia izay tsy misy kilema no aterina.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha ondry na osy no atolony ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hatolony. DIEM PROTESTANTA «Rehefa ondry na osy no atolotra amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no aoka hatolotra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Rehefa ondry na osy no atolotra amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no aoka hatolotra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an’i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny. Malagasy Bible Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny. La Bible en Malgache Raha ondry na osy no atolony ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hatolony. |
Hivory ao aminao ny biby fiompy rehetra any Sedara; hozakainao ny ondralahin’i Nabaiôta, hiakatra ho fanatitra ankasitrahina eo ambony ôteliko ireny, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ny voninahitrao.
Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak’ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,
Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo hanao fanatitra amin’i Iaveh dia biby fiompy no ataovy, na ny vaventy na ny madinika.
Raha manatitra sorom-pihavanana amin’i Iaveh ianareo, ataovy araka izay hahazoanareo sitraka aminy, izany.
Dia mamonoa koa osy lahy iray ho sorona noho ny ota, sy zanak’ondry roa, efa iray taona, ho sorom-pihavanana.
hanao fanatitra hararaka, divay hampahefatry ny hina, miaraka amin’ny sorona dorana, na ny sorom-pihavanana, isan-janak’ondry.
ka hanatitra ny fanatiny ho an’i Iaveh, zanak’ondry efa iray taona, tsy misy kilema, iray hatao sorona dorana; ondry vavy iray tsy misy kilema, efa iray taona, hatao sorona noho ny ota; ondry lahy iray tsy misy kilema hatao fanati-pihavanana;
Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny Jentily mbamin’ny vahoaka Israely hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao,
Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.
fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna,
rehefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany.