Tsy misy azony amidy na atakalo izany; ny voaloham-bokatry ny tany koa tsy ho azo hamidy; fa masina ho an’i Iaveh izany.
Levitikosy 27:10 - Baiboly Katolika Tsy hosoloana izany, ny ratsy tsy hasolo ny tsara, ny tsara tsy hasolo ny ratsy; ary raha soloina biby anankiray ny biby anankiray hafa, dia ho samy zava-masina izy roaroa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon’ny ratsy na ny ratsy ho solon’ny tsara. Raha biby no atakalony biby dia samy ho masina izy sy ny takalony. DIEM PROTESTANTA Tsy azo ovàna na atakalo izany, na tsara no hasolo ny ratsy na ratsy no hasolo ny tsara. Kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an’Andriamanitra izy roroa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy azo ovàna na atakalo izany, na tsara no hasolo ny ratsy na ratsy no hasolo ny tsara. Kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an’Andriamanitra izy roroa. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon’ny ratsy, na ny ratsy ho solon’ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masina izy sy ny takalony. Malagasy Bible Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon'ny ratsy, na ny ratsy ho solon'ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masina Izy sy ny takalony. La Bible en Malgache Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon’ny ratsy na ny ratsy ho solon’ny tsara. Raha biby no atakalony biby dia samy ho masina izy sy ny takalony. |
Tsy misy azony amidy na atakalo izany; ny voaloham-bokatry ny tany koa tsy ho azo hamidy; fa masina ho an’i Iaveh izany.
Ary raha biby maloto tsy fanao fanatitra amin’i Iaveh kosa, dia hoentina mankeo amin’ny mpisorona,
«Raha biby fanao fanatitra ho an’i Iaveh no nivoadiana, dia zava-masina izay rehetra homena an’i Iaveh toy izany.