Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 26:8 - Baiboly Katolika

Dimy aminareo no hanenjika zato, ary zato aminareo no hanenjika iray alina; ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ny fahavalonareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny dimy aminareo dia hanenjika ny zato ary ny zato aminareo dia hanenjika ny iray alina. Ny fahavalonareo dia ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

hampandositra zato ny dimy aminareo ary hampandositra iray alina ny zato aminareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ireny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

hampandositra zato ny dimy aminareo ary hampandositra iray alina ny zato aminareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ireny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; ary ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny dimy aminareo dia hanenjika ny zato ary ny zato aminareo dia hanenjika ny iray alina. Ny fahavalonareo dia ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.

Jereo ny toko



Levitikosy 26:8
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia izao no isan’ny lehilahy mahery tao amin’i Davida: i Jesbôama, zanak’i Hakamonì, lehiben’ny Telopolo lahy: izy no nampandihy ny lefony tamin’ny olona telon-jato lahy, izay novonoiny tamin’ny indray mandeha monja.


I Abisaï, rahalahin’i Jôaba lehiben’ny Telopolo lahy, dia nampandihy ny lefony tamin’ny lehilahy telon-jato, ka nahafaty an’ireo, ka nanan-daza tamin’izy telopolo lahy.


Hanenjika ny fahavalonareo ianareo; ary ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.


Amin’izany andro izany, i Iaveh hanangana manda manodidina ny mponina ao Jerosalema, ary izay mangozohozo eo amin’izy ireo, dia ho tahaka an’i Davida amin’izany andro izany, ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra, dia ho tahaka ilay Anjelin’i Iaveh, eo anoloan’izy ireo.


Fa aza miodina amin’i Iaveh kosa ianareo, ary aza matahotra ny olona amin’izany tany izany, fa ho fihinana ho antsika izy ireo; ny fialofan’izy ireo efa niala taminy, ary isika omban’i Iaveh, ka aza matahotra azy ireo.»


Mandefasa arivo lahy isam-pokony avy ho any an-tafika ianareo, avy amin’ny fokon’i Israely rehetra.»


Ny fahavalo mitsangan-kiady aminao hataon’i Iaveh vaky mandositra eo anoloanao; lalana iray no nandrosoany hiady aminao, fa lalana fito kosa no handosirany eo anoloanao.


Hataon’ny irery lahy ahoana no fanenjika ny arivo, hataon’ny roa lahy ahoana ny fampandosirana ny iray alina, raha tsy ny Vatolampy no efa nivarotra azy, raha tsy i Iaveh no efa nanolotra azy?


Iray taminareo no nanenjika arivo fa i Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo, araka ny efa voalazany taminareo.


ary nahita valanoranon’ampondra vaovao izy, dia nanatsotra ny tanany nandray an’izay, ka nahafaty arivo lahy taminy.