Nataon’i Salômôna koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon’i Iaveh: ny ôtely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra,
Levitikosy 24:6 - Baiboly Katolika Hapetrakao mifanongoa amin’ny antontany roa ireo, enina isan’antontany, eo ambonin’ny latabatra volamena madio, eo anatrehan’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Apetraho eo ambonin’ny latabatra madio eo anatrehan’NY TOMPO ireo ka ataovy laharana roa, enina avy isan-daharana. DIEM PROTESTANTA Dia apetraho mifanongoa eo ambonin’ny latabatra volamena madio eo anatrehako TOMPO ireo, ka ataovy antontany anankiroa misy mofo enina avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia apetraho mifanongoa eo ambonin’ny latabatra volamena madio eo anatrehako TOMPO ireo, ka ataovy antontany anankiroa misy mofo enina avy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary mandahara ireo eo ambonin’ny latabatra tsara eo anatrehan’i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana. Malagasy Bible Ary mandahara ireo eo ambonin'ny latabatra tsara eo anatrehan'i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana. La Bible en Malgache Apetraho eo ambonin’ny latabatra madio eo anatrehan’NY TOMPO ireo ka ataovy laharana roa, enina avy isan-daharana. |
Nataon’i Salômôna koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon’i Iaveh: ny ôtely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra,
Ka izy ireo, dia mandoro sorona dorana hanetona amin’i Iaveh isan’andro marain-tsy hariva ary zava-manitra tsara fofona koa: ataony eo ambonin’ny latabatra madio ny mofo alahatra; ary ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampiny dia ampirehetiny isan-kariva; satria tandremanay ny didin’i Iaveh Andriamanitray, fa ianareo kosa nandao Azy.
Ary nataon’i Salômôna ny fanaka rehetra ho an’ny tranon’Andriamanitra, dia ny ôtely volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo alahatra.
Nataonay didy ho anay ny handoa ampahatelon-tsikla isan-taona, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’ny Andriamanitra,
ny mofo alahatra, ny fanatitra tsy tapaka, ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona amin’ny sabata, ny voaloham-bolana ary ny fety, ny zavatra masina, ny sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mbamin’izay rehetra fanao ao an-tranon’ny Andriamanitsika.
telo hakiho ny haavony, roa hakiho ny halavany: nisy zorony izy, ary hazo ny rindriny manaraka ny halavany rehetra. Dia hoy izy tamiko: Io no latabatra eo anatrehan’i Iaveh.
Fa nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra.