Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 24:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Dia apetraho mifanongoa eo ambonin’ny latabatra volamena madio eo anatrehako TOMPO ireo, ka ataovy antontany anankiroa misy mofo enina avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Apetraho eo ambonin’ny latabatra madio eo anatrehan’NY TOMPO ireo ka ataovy laharana roa, enina avy isan-daharana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Dia apetraho mifanongoa eo ambonin’ny latabatra volamena madio eo anatrehako TOMPO ireo, ka ataovy antontany anankiroa misy mofo enina avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Hapetrakao mifanongoa amin’ny antontany roa ireo, enina isan’antontany, eo ambonin’ny latabatra volamena madio, eo anatrehan’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary mandahara ireo eo ambonin’ny latabatra tsara eo anatrehan’i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary mandahara ireo eo ambonin'ny latabatra tsara eo anatrehan'i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 24:6
13 Rohy Ifampitohizana  

Nampanaovin’i Salômôna koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’ny TOMPO: dia ny alitara volamena; ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra;


Isa-maraina sy isan-kariva ireo no mampanetona ny sorona dorana manontolo sy ny vovo-javamanitra ho an’ny TOMPO na koa mandahatra eo amin’ny latabatra madio ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra; ary isan-kariva ireo no mampirehitra ny jiro eo amin’ny fitoeran-jiro volamena. Izahay manko mitandrina izay nasain’ny TOMPO Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nandao Azy.


Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,


Nataonay lalàna koa ny handoavana ny ampahatelon-tsekela isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon’Andriamanitray:


io rehetra io dia hahazoana ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra, ny sorona dorana manontolo sy fanatitra vokatry ny tany fanao isan’andro, ny sorona fanolotra isaky ny sabata sy voaloham-bolana ary andro fety, ny fanatitra hafa voatokana ho zava-masina dia masina, ary ny sorona fanalana ny ota mba handraisan’ny vahoaka Israely famelan-keloka; farany, io hetra io dia hanatontosana ny raharaha rehetra fikarakarana ny tranon’Andriamanitray.


Eo ambonin’io latabatra io no hametrahana ny mofo atolotra ho Ahy, ka hisy tsy tapaka eo anatrehako izany.


–ny latabatra voatokana sy ny baony ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy mbamin’ny mofo fanolotra ho an’Andriamanitra;


amin’ny alitara hazo izay mirefy iray metatra sy sasany ny haavony ary iray metatra ny sakany. Misy zorony sy fanambaniny ary sisiny hazo. Ka hoy ralehilahy tamiko: «Io no latabatra eo anatrehan’ny TOMPO.»


Aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.


Fa nisy tranolay voavoatra, dia ny tranolay voalohany izay antsoina hoe Toeramasina: tao no nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra fametrahana ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra