Miakatra ho any an-tempolin’i Kamaosy sy any Dibôna ny olona, eny amin’ny fitoerana avo mba higogogogo; migogogogo ny amin’i Nebô sy i Medebà, i Moaba. Ny loha mibory avokoa; ny somotra voaharatra daholo.
Levitikosy 21:5 - Baiboly Katolika Ny mpisorona tsy hanaratra ny lohany, tsy hanala ny sisin’ny volombavany, ary tsy hanisy tetika amin’ny tenany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy hanasola ny tampon-dohany izy na hanaratra ny volombavany na hitetika ny tenany. DIEM PROTESTANTA «Rehefa misaona izy mpisorona, dia tsy hanasola ny tampon-dohany na hanàratra ny volon-tavany na handradratra ny tenany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Rehefa misaona izy mpisorona, dia tsy hanasola ny tampon-dohany na hanàratra ny volon-tavany na handradratra ny tenany. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy hanasola ny lohany izy, na hanàratra ny vaokany, na hitetika ny tenany. Malagasy Bible Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany. La Bible en Malgache Tsy hanasola ny tampon-dohany izy na hanaratra ny volombavany na hitetika ny tenany. |
Miakatra ho any an-tempolin’i Kamaosy sy any Dibôna ny olona, eny amin’ny fitoerana avo mba higogogogo; migogogogo ny amin’i Nebô sy i Medebà, i Moaba. Ny loha mibory avokoa; ny somotra voaharatra daholo.
Ny Tompo Iavehn’ny tafika, niantso anareo, tamin’izany andro izany, hitomany sy higogogogo, hibory loha sy hisikina lasàka.
Amin’ity tany ity, na ny lehibe na ny kely, ho faty avokoa, nefa tsy hisy levenana na fitomaniana ho azy; tsy hisy hiteti-tena na hibory noho ny aminy ny olona.
Fa nibory ny loha rehetra, voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin’ny tanana rehetra, ary misy lasàka koa ny valahana.
Ny lohany tsy hoharatany, ary tsy havelany haniry ny volony ho lava fa hihety volon-doha izy.
Ary ianao, ry zanak’olona, makà lelan-java-maranitra, raiso izy ho harezan’ny mpanala volombava, dia ento mitety ny lohanao sy saokanao izy; raha efa izany, makà mizana fandanjàna, ka zarao izay voatapakao.
Hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy i Eleazara ary i Itamara: «Aza avelanareo hirakaraka foana ny volon-dohanareo, ary aza triarinareo ny fanamianareo, fandrao dia maty ianareo, ary ho tratry ny hatezeran’i Iaveh ny fiangonana rehetra. Ny rahalahinareo sy ny taranak’i Israely rehetra no aoka hitomany noho izao fandoroana narehitr’i Iaveh izao.
Ny fetinareo hampodiko ho fisaonana; ny hira fifalianareo, ho fitomaniana; ny andilana rehetra hosikinako lasàka, ny loha rehetra hataoko sola; ny tany hataoko hoatra ny misaona zanaka lahy tokana; ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.
Ongoty ny volonao, kakaso izy, noho ny amin’ireo zanakao malalanao; ataovy tonga sola toy ny papango sola ny lohanao fa lasan-ko babo lavitra anao ireny.
Zanak’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo. Aza mitetika ny tenanareo; aza misy faritra haratanareo amin’ny elanela-masonareo, noho ny amin’ny maty.