Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao; hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».
Levitikosy 15:12 - Baiboly Katolika Ny vilany tany rehetra voakasiky ny marary mitsîka, hovakina, ary ny tavy hazo rehetra kosa hosasana amin’ny rano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika ary hosasana amin’ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra. DIEM PROTESTANTA Raha siny tanimanga na zinga hazo no voakasiky ny lehilahy mitsika, dia hovakîna ny siny tanimanga ary hosasana kosa ny zinga hazo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha siny tanimanga na zinga hazo no voakasiky ny lehilahy mitsika, dia hovakîna ny siny tanimanga ary hosasana kosa ny zinga hazo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin’ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra. Malagasy Bible Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin'ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra. La Bible en Malgache Hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika ary hosasana amin’ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra. |
Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao; hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».
Mitory eo am-pihaonan-dalana maresaka izy; milaza ny teniny izy eo am-bavahady sy eny an-tanàna manao hoe:
Mitodiha ianareo hihaino ny fananarako, dia indro haidiko ao aminareo ny fanahiko, hampahafantariko anareo ny teniko.
Izay voakasiky ny marary mitsîka ka tsy nanasa tanana tamin’ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
Izay vilany tany nandrahoana azy, dia homontsanina, fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hontsanan-drano.
Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.
Izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra.