Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 15:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Raha siny tanimanga na zinga hazo no voakasiky ny lehilahy mitsika, dia hovakîna ny siny tanimanga ary hosasana kosa ny zinga hazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika ary hosasana amin’ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Raha siny tanimanga na zinga hazo no voakasiky ny lehilahy mitsika, dia hovakîna ny siny tanimanga ary hosasana kosa ny zinga hazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ny vilany tany rehetra voakasiky ny marary mitsîka, hovakina, ary ny tavy hazo rehetra kosa hosasana amin’ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin’ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin'ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 15:12
10 Rohy Ifampitohizana  

ary hofehezinao amin’ny tehim-by ka ho azonao potehina toa vilany tany.»


Mitory eny amin’ny fihaonan-dalana be olona izy ka manambara eo am-bavahadin’ny tanàna hoe:


Miverena hihaino ny fananarako ianareo fa indro haidiko aminareo ny fanahiko ary hampahafantariko anareo ny teniko.


Anaka, ny fahamalinana sy ny fahaiza-mandinika no ifikiro ka imasoy hatrany.


Raha mbola tsy nanasa tanana ilay lehilahy mitsika no sendra mahakasika olona, dia hanasa fitafiana sy handro io olona io sady haloto mandra-paharivan’ny andro.


Ny vilany tany izay nandrahoany azy dia homontsanina; fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hohontsanan-drano ilay vilany.


Eny, fantatsika fa raha rava ny tranolay itoerantsika eto an-tany (izany hoe ity vatantsika ity), dia manan-trano izay tsy nataon-tanan’olona fa narafitr’Andriamanitra isika, dia trano maharitra mandrakizay any an-danitra.


Izy no hanova izao tenantsika tsinontsinona izao, ka hampitovîny amin’ny tenany be voninahitra, araka ny heriny miasa hahatonga ny zavatra rehetra hanaiky Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra