Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 14:4 - Baiboly Katolika

dia hodidian’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina ny vorona roa velona sady madio, ny hazo sedera, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia vorona roa velona sady madio miaraka amin’ny hazo sedera sy lamba jaky ary rantsana hisopa no hasain’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia vorona anankiroa velona sady madio sy hazo sedera ary lamba jaky sy rantsana hisôpa no hasain’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia vorona anankiroa velona sady madio sy hazo sedera ary lamba jaky sy rantsana hisôpa no hasain’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona ho an'ilay hodiovina;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia vorona roa velona sady madio miaraka amin’ny hazo sedera sy lamba jaky ary rantsana hisopa* no hasain’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina,

Jereo ny toko



Levitikosy 14:4
11 Rohy Ifampitohizana  

Indro izaho teraka tamin’ny heloka; ineny koa torontoronina ahy tamin’ny fahotana.


Dia makà hisopa iray fihina, atsobohy ao anatin’ny ra eo amin’ny lovia, ka tenteno amin’ny ra ao anatin’ny lovia ny tatao sy ny tolàm-baravarana roa. Aza misy mivoaka ny trano ianareo mandra-pahamarain’ny andro;


Raha vorona hatao sorona dorana no ateriny amin’i Iaveh, dia domohina na vanto-boromahailala no hateriny.


Raha tsy manan-kamidy ny zanak’ondry izy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hoentiny: ny iray hatao sorona dorana, ny iray hatao sorona noho ny ota, hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho azy, dia hadio izy.»


Ny iray amin’ireo vorona no hasain’ny mpisorona vonoina eo ambony vilany tany misy rano avy amin’ny rano velona;


vao halainy ilay vorona sisa velona, ny hazo sedera, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa, hatsobony mbamin’ny velona ao amin’ny ran’ilay vorona novonoina eo ambonin’ny rano velona,


Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondry vavy na osy vavy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hateriny ho an’i Iaveh ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.


Ary haka hisopa ny lehilahy madio anankiray ka handroboka azy eo amin’ny rano, dia hamafy izany amin’ny lay sy amin’ny fanaka rehetra, ary amin’ny olona rehetra tao, amin’izay nikasika taolana, na olona novonoina, na faty, na fasana.


Ary ny mpisorona haka hazo sedera sy hisopa ary lamba mena antitra, ka hanipy izany ao afovoan’ny afo mandoro ny omby vavy.


Fa rehefa voavakin’i Môizy tamin’ny vahoaka rehetra ny didy rehetra tao amin’ny Lalàna, dia nalainy ny ran-janak’omby sy ny ran’osilahy, mbamin’ny rano sy ny volon’ondry mena ary ny hisopa, ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka rehetra,