Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 11:7 - Baiboly Katolika

Ohatra ny kisoa, izay mivaky kitro sy misampan-tongotra nefa tsy mandinika, dia ho maloto aminareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy sady misaraka tsara ny kitrony nefa tsy mba mandinika: Maloto aminareo izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy nefa tsy mba nandinika.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy nefa tsy mba nandinika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy sady misaraka tsara ny kitrony nefa tsy mba mandinika: Maloto aminareo izy.

Jereo ny toko



Levitikosy 11:7
11 Rohy Ifampitohizana  

mitoetra any anaty fasana, ary mandany ny alina any am-pierena, mihinana hena kisoa, mbamin’ny hanina maloto eo an-doviany;


Izay manokan-tena sy mandio tena ho ao an-tanimboly, eo ivohon’ilay iray efa mijoro eo afovoany, izay mihinana hena kisoa sy ny zava-betaveta mbamin’ny totozy, dia hiara-devona avokoa, - teny marin’i Iaveh.-


Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,


Ny biby rehetra mivaky kitro sy misampan-tongotra ary mandinika no hohaninareo;


Ohatra ny bitro, izay mandinika fa tsy misampan-tongotra, dia ho maloto aminareo.


Koa aza mihinana ny henany, na mikasika izay fatiny akory, fa maloto aminareo ireny.»


Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.


Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha.


Tamin’izay, dia niala tamin-dralehilahy ny demony ka niditra tamin’ny kisoa, ary nirifatra ny andian-kisoa ka nivarina tamin’ny kisolosolo mideza ho any anaty farihy, dia maty tany.


toy izany koa ny kisoa, mivaky kitro ihany izy fa tsy mandinika, haloto aminareo izy, koa aza mihinana ny henany, aza mikasika ny fatiny.