Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 11:11 - Baiboly Katolika

Ho fahavetavetana aminareo ireny, ka aza mihinana ny henany, ary ataovy zava-betaveta ny fatiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

eny, ho fady aminareo ireny, ka aza haninareo ny henany ary fadio ny mikasika ny fatiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

eny, ho fady aminareo ireny, ka aza haninareo ny henany ary fadio ny mikasika ny fatiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.

Jereo ny toko



Levitikosy 11:11
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy, no halainao ho ao aminao; ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao;


ny voromanidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany tsy ho faty eto ambonin’ny tany, lahy sy vavy.


Fa ho fahavetavetana ho anareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, na ny ao an-dranomasina, na ny ao an-drenirano, amin’ny biby rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, sy amin’ny zava-manana aina rehetra misy ao.


Izay tsy misy vombony na kirany ao anaty rano, dia ho zava-betaveta avokoa aminareo.»


«Amin’ny vorona kosa, dia ireto no ho zava-betaveta ho anareo ka tsy hohanina, fa zava-betaveta:


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Izao no ho biby fihinanareo amin’ny biby rehetra eto ambonin’ny tany:


Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin’izany, ka nahazo fahotana;


Izao no biby fihinanareo: ny omby, ny ondry sy ny osy,