Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 11:10 - Baiboly Katolika

Fa ho fahavetavetana ho anareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, na ny ao an-dranomasina, na ny ao an-drenirano, amin’ny biby rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, sy amin’ny zava-manana aina rehetra misy ao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa izay rehetra tsy misy vombony na kirany kosa, na ao anatin’ny ranomasina na ao anatin’ny ony na amin’izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’izay zavamananaina ao anaty rano, dia ho fahavetavetana aminareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ho fady aminareo kosa izay tsy misy vombony sy kirany amin’ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika anaty rano:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ho fady aminareo kosa izay tsy misy vombony sy kirany amin’ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika anaty rano:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin’ny ranomasina, na ao anatin’ny ony, na amin’izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’ny zava-mananaina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa izay rehetra tsy misy vombony na kirany kosa, na ao anatin’ny ranomasina na ao anatin’ny ony na amin’izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’izay zavamananaina ao anaty rano, dia ho fahavetavetana aminareo.

Jereo ny toko



Levitikosy 11:10
10 Rohy Ifampitohizana  

Hoy Andriamanitra: «Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra.»


Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.


Ny olon-dratsy, fahavetavetana ho an’ny marina; ny mahitsy lalana kosa, fahavetavetana ho an’ny ratsy fanahy.


Ho fahavetavetana aminareo ireny, ka aza mihinana ny henany, ary ataovy zava-betaveta ny fatiny.


«Izao kosa no ho biby fihinanareo, amin’ny biby rehetra ao anaty rano: izay rehetra misy vombony sy misy kirany ao anaty rano, na ao an-dranomasina, na ao an-drenirano, no hohaninareo.


Raha misy olona mihinana amin’ny andro fahatelo ny hena avy amin’ny sorom-pihavanana nateriny, dia tsy hankasitrahina ny sorona nateriny, tsy ho isaina ho azy nanatitra, ho fahavetavetana izany; ary izay rehetra hihinana amin’izany dia hivesatra ny otany.


fa aza mihinana izay rehetra tsy misy vombo aman-kirany, maloto aminareo izany.


Aza mihinan-javatra maloto na inona na inona.


Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»