Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 1:16 - Baiboly Katolika

Hoesoriny ny takorobabony mbamin’izay rehetra maloto eo aminy, dia hariana eo akaikin’ny ôtely amin’ny atsinanany, eo amin’ny fitoeran-davenona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hesoriny ny takorobabony sy ny volony dia hariany eo atsinanan’ny alitara, eo amin’ny fitoeran-davenona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoesoriny ny takorobabony mbamin’ny ao anatiny, ka hararany eo atsinanan’ny alitara, eo amin’ny fitobian-davenona;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoesoriny ny takorobabony mbamin’ny ao anatiny, ka hararany eo atsinanan’ny alitara, eo amin’ny fitobian-davenona;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan’ny alitara, dia eo amin’ny fitoeran-davenona;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan'ny alitara, dia eo amin'ny fitoeran-davenona;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hesoriny ny takorobabony sy ny volony dia hariany eo atsinanan’ny alitara, eo amin’ny fitoeran-davenona.

Jereo ny toko



Levitikosy 1:16
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny ombalahy noho ny ota sy ny osy lahy noho ny ota, izay nentin-dra tao amin’ny fitoerana masina hanaovana ny fanonerana dia hoenti-mivoaka any ivelan’ny toby, dia hodorany amin’ny afo ny hodiny, ny tenany ary ny tain-drorohany.


ary ny ombalahy manontolo havoakany any ivelan’ny toby, amin’ny fitoerana madio, fanariana ny lavenona, dia hodorany amin’ny afo eo ambony kitay hazo; ka eo ambonin’ny antontan-davenona no handorany azy.


Isa-maraina ny mpisorona, rehefa niakanjo ny tonîka rongony madinika, sy nanao ny kalisaona rongony madinika manolo-koditra azy, dia handraoka ny lavenona avy amin’ny afo nandorana ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtely, ka hametraka azy eo anilan’ny ôtely.


«Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.


araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo!