Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 9:27 - Baiboly Katolika

Hatramin’izay andro izay ihany, dia naraikitr’i Jôsoe izy ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ny ôtelin’i Iaveh any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh, ary mbola nanao izany mandraka androany izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’izany andro izany dia natolotr’i Josoa ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’NY TOMPO mandraka androany, eo amin’ny tany izay hofidiny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izany andro izany koa no nanolorany azy ho mpaka kitay sy ho mpantsaka rano ho an’ny Israelita sy ho an’ny alitaran’ny TOMPO eo amin’ny toerana izay hofidin’Izy TOMPO. Ary mbola manohy izany raharaha izany mandraka androany ry zareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izany andro izany koa no nanolorany azy ho mpaka kitay sy ho mpantsaka rano ho an’ny Israelita sy ho an’ny alitaran’ny TOMPO eo amin’ny toerana izay hofidin’Izy TOMPO. Ary mbola manohy izany raharaha izany mandraka androany ry zareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia natolotr’i Josoa tamin’izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’i Jehovah mandraka andro-any, eo amin’ny tany izay hofidiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’izany andro izany dia natolotr’i Josoa ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’NY TOMPO mandraka androany, eo amin’ny tany izay hofidiny.

Jereo ny toko



Josoa 9:27
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary nisain’i Salômôna araka ny nanisan’i Davida rainy azy, ny lehilahy hafa firenena rehetra teo amin’ny tanin’i Israely: dia nisy 153.600 ny isany.


Ny an’ny miaramila niantafika angalao iray isan-dimanjato, na olona na omby na boriky na ondry, ho anjara aloa amin’i Iaveh.


Ny antsasany ho an’ny zanak’i Israely kosa, anavaho iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry sy biby fiompy rehetra, ka omeo an’ny Levita, izay miambina ny Fonenan’i Iaveh.»


Nangalan’i Môizy iray isan-dimampolo io antsasany an’ny zanak’i Israely io, ka nomeny ny Levita izay miambina ny Fonenan’i Iaveh araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Amin’izay fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo hamponenany ny Anarany no hanateranareo ny zavatra rehetra andidiako anareo, dia ny sorona doranareo, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo, ny voatokan’ny tananareo, ary ny fanatitra rehetra voafantina hanalanareo ny voadinareo izay nataonareo tamin’i Iaveh.


fa izay fitoerana izay hofidin’i Iaveh amin’ny fokonao anankiray ihany no hanateranao azy, sy hanaovanao izay rehetra andidiako anao.


fa tadiavo Izy, amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo eo amin’ny fokonareo rehetra, mba hametrahany ny Anarany sy hataony fonenany, ka ao amin’io no halehanao.


«Ka aoka ho velona àry izy», hoy ireto filohany tamin’izy ireo. Dia natao mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra ireo, araka ny voalazan’ny filohany taminy.


Nataon’i Jôsoe tamin’izy ireo ny voalazany: nanafaka azy teo an-tanan’ny zanak’i Israely izy mba tsy hataony maty.