Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka nony efa nijery ny toetry ny vahoaka, dia nandroso izy mbamin’ny loholon’i Israely, nitarika ny vahoaka hamely an’i Haia.
Josoa 8:11 - Baiboly Katolika Niakatra sy nanatona tao avokoa ny lehilahy mpiantafika rehetra teo aminy; nony tonga teo an-tandrifin’i Haia izy, dia nitoby teo avara-tanàna, ka ny lohasaha no nanelanelana azy sy i Haia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny vahoaka mpanafika rehetra, izay niaraka tamin’i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’i Ay ireo ka ny lohasaha no teo anelanelan’i Ay sy rizareo. DIEM PROTESTANTA Ny miaramila rehetra izay niaraka tamin’i Josoa dia niakatra ka tonga teo amin’ny tandrifin’ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’i Hay ireo ka lohasaha no nanelanelana azy amin’ny tanàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny miaramila rehetra izay niaraka tamin’i Josoa dia niakatra ka tonga teo amin’ny tandrifin’ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’i Hay ireo ka lohasaha no nanelanelana azy amin’ny tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin’i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan’izy sy Ay. Malagasy Bible Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin'i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr'i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan'izy sy Ay. La Bible en Malgache Ary ny vahoaka mpanafika rehetra, izay niaraka tamin’i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’i Ay ireo ka ny lohasaha no teo anelanelan’i Ay sy rizareo. |
Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka nony efa nijery ny toetry ny vahoaka, dia nandroso izy mbamin’ny loholon’i Israely, nitarika ny vahoaka hamely an’i Haia.
Dia naka lehilahy sahabo ho dimy arivo i Jôsoe, napetrany ho otrika eo anelanelan’i Betela sy i Haia, teo andrefan-tanàna.