Nanao akora lava fikatrohana ny lehilahy amin’i Jodà ary dieny nanao akora fikatrohana ny lehilahin’i Jodà, i Iaveh kosa namely an’i Jerôbôama sy i Israely rehetra teo anoloan’i Abià sy i Jodà.
Josoa 6:20 - Baiboly Katolika Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon’ny trômpetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin’ny hitsiny avy ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanakora ny olona ary notsofina ny anjomara; nony ren’ny vahoaka ny feon’ny anjomara dia nanakora mafy izy ka nirodana tamin’izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna ny olona sady samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ka azo ny tanàna. DIEM PROTESTANTA Dia nitsoka trompetra ny mpisorona. Ka raha vao nandre ny feon-trompetra ny vahoaka, dia nanezaka mafy nanao akoran’ady; koa nirodana tamin’izay ny manda. Dia niakatra hamely tao an-tanàna samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita ka naka ny tanàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitsoka trompetra ny mpisorona. Ka raha vao nandre ny feon-trompetra ny vahoaka, dia nanezaka mafy nanao akoran’ady; koa nirodana tamin’izay ny manda. Dia niakatra hamely tao an-tanàna samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita ka naka ny tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren’ny vahoaka ny feon’ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin’izay ny mànda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna. Malagasy Bible Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna. La Bible en Malgache Dia nanakora ny olona ary notsofina ny anjomara; nony ren’ny vahoaka ny feon’ny anjomara dia nanakora mafy izy ka nirodana tamin’izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna ny olona sady samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ka azo ny tanàna. |
Nanao akora lava fikatrohana ny lehilahy amin’i Jodà ary dieny nanao akora fikatrohana ny lehilahin’i Jodà, i Iaveh kosa namely an’i Jerôbôama sy i Israely rehetra teo anoloan’i Abià sy i Jodà.
andron’ny trômpetra sy ny fanairana, eo ambonin’ny tanàna mimanda, mbamin’ny nongonongona avo amin’ny manda.
Rehefa mitsoka ny trômpetra mafy faneno izy ka renareo ny feon’ny trômpetra, dia hanao akoralava ny vahoaka, ka hirodana ho azy ny mandan’ny tanàna, ary samy hiakatra amin’ny hitsiny avy ny vahoaka.»
Nony niditra tao an-toby ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh dia nihoby an-kafaliana lehibe i Israely rehetra, ka nanako ny tany.