Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Samoela 4:5 - Baiboly Katolika

5 Nony niditra tao an-toby ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh dia nihoby an-kafaliana lehibe i Israely rehetra, ka nanako ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Rehefa tonga teo an-toby ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nihoby mafy ny Zanak’Israely rehetra ka nihorohoro ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Raha vantany vao tonga tao an-toby ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao horakoraka mafy ny miaramila israelita rehetra ka nampihozona ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Raha vantany vao tonga tao an-toby ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao horakoraka mafy ny miaramila israelita rehetra ka nampihozona ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran’ny faneken’i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak’Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




1Samoela 4:5
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary indro ny fiaran’Andriamanitra fa napetrak’i Sadôka, mbamin’ny Levita rehetra nitondra ny Fiaran’ny faneken’Andriamanitra, raha ilay niakatra iny i Abiatara, mandra-pahatapitry ny vahoaka rehetra nivoaka avy ao an-tanàna.


Raha efa izany, dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra. Nitsoka sodina ny vahoaka sy nifaly indrindra, ka nahavaky ny tany ny horakoraka avy amin’izy ireo.


dia vetivety foana no nahombiazan’ny ratsy fanahy, ary mihelina ihany ny fifalian’ny tsy mivavaka.


Aza matoky ny teny laingan-dry zareo manao hoe: Ity no tempolin’i Iaveh, Tempolin’i Iaveh, Tempolin’i Iaveh!


Ianareo manao ny andro mahory ho mbola lavitra ary mampanatona ho akaiky ny fanjakan’ny fahasiahana!


Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: «Haminany divay aman-dabiera ho anao aho!» dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity.


Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon’ny trômpetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin’ny hitsiny avy ny vahoaka.


Rehefa mitsoka ny trômpetra mafy faneno izy ka renareo ny feon’ny trômpetra, dia hanao akoralava ny vahoaka, ka hirodana ho azy ny mandan’ny tanàna, ary samy hiakatra amin’ny hitsiny avy ny vahoaka.»


Nony tonga tany Lekia izy, dia notsenain’ny Filistinina tamim-panakorana. Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh kosa i Samsôna tamin’izay, ka ny mahazaka tamin’ny sandriny tonga toy ny kofehy rongony main’ny afo, ary ny fatorana tamin’ny tanany nivotsotra;


Ren’ny Filistinina ny fikotrokotrok’izany hoby izany, ka hoy izy: «Inona no anton’izany hobin-kafaliana mikotrokotroka any an-tobin’ny Hebrio izany?» Dia reny fa ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh no tonga tao an-toby.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra