Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo, ary tsy handositra no ho fandehanareo; fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo, ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo!»
Josoa 4:11 - Baiboly Katolika Nony tapitra avokoa ny vahoaka rehetra dia nandeha teo anoloan’ny vahoaka ny fiaran’i Iaveh sy ny mpisorona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tafita avokoa ny olona rehetra dia nita teo anoloan’ny olona koa ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ireo mpisorona. DIEM PROTESTANTA ary rehefa tafita avokoa ireo dia nandeha ho eny alohany indray ny mpisorona miaraka amin’ny Vatamasin’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary rehefa tafita avokoa ireo dia nandeha ho eny alohany indray ny mpisorona miaraka amin’ny Vatamasin’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran’i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan’ ny olona. Malagasy Bible Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran'i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan'ny olona. La Bible en Malgache Rehefa tafita avokoa ny olona rehetra dia nita teo anoloan’ny olona koa ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ireo mpisorona. |
Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo, ary tsy handositra no ho fandehanareo; fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo, ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo!»
Nita an’i Jordany ianareo, dia tonga tao Jerikô; niady taminareo ny mponina tao Jerikô, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Gergeseanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina; ka natolotro teo an-tananareo ireny.
Nitsatoka tsy nihetsika tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, nandritra ny nitan’i Israely rehetra tamin’ny tany maina, mandra-pahatafitan’ny firenena an’i Jordany.
Ary ianao dia manomeza izao didy izao amin’ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena: Rehefa tonga eo amoron’ny ranon’i Jordany ianareo, dia mijanona ao anatin’i Jordany.»
Nijanona teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiara, mandra-pahatanteraky ny zavatra nasain’i Iaveh nolazain’i Jôsoe tamin’ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian’i Môizy an’i Jôsoe; dia nita faingana ny olona.
Ary nandroso samy nitam-piadiana teo alohan’ny zanak’i Israely, araka ny tenin’i Môizy taminy, ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.
Nony niala teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ka vao nikasika ny tany maina ny faladian-tongony, dia nody amin’ny toerany ny ranon’ny ony, toy ny taloha nihoatra ny morona indray.