Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 21:4 - Baiboly Katolika

Ny fianakavian’ny Kaatita aloha no nanaovana ny loka, ka tanàna 13 tamin’ny fokon’i Jodà sy ny fokon’i Simeôna, ary ny fokon’i Benjamina no azon’ny taranak’i Aarôna, mpisorona, anisan’ny Levita, tamin’ny filokana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nahazo anjara tamin’ny antsapaka ny fianakavian’ny Kehatita; ny anjara azon’ny taranak’i Arona mpisorona isan’ny levita dia tanàna telo amby folo, avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simeona ary ny fokon’i Benjamina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny anjara voatendrin’ny antsapaka voalohany dia ho an’ireo tarika taranak’i Kehata; anisan’ny levita kehatita ny taranak’i Aharôna mpisorona ka ny azon’ireo tamin’ny antsapaka dia tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Joda sy fokon’i Simehôna ary fokon’i Benjamîna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny anjara voatendrin’ny antsapaka voalohany dia ho an’ireo tarika taranak’i Kehata; anisan’ny levita kehatita ny taranak’i Aharôna mpisorona ka ny azon’ireo tamin’ny antsapaka dia tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Joda sy fokon’i Simehôna ary fokon’i Benjamîna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nahazo loka ny fokon’ny Kehatita; ary ny loka azon’ny taranak’i Arona mpisorona isan’ny Levita dia tanàna telo ambin’ny folo, avy tamin’ny firenen’i Joda sy ny firenen’i Simeona ary ny firenen’i Benjamina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nahazo loka ny fokon'ny Kehatita; ary ny loka azon'ny taranak'i Arona mpisorona isan'ny Levita dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Joda sy ny firenen'i Simeona ary ny firenen'i Benjamina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nahazo anjara tamin’ny antsapaka ny fianakavian’ny Kehatita; ny anjara azon’ny taranak’i Arona mpisorona isan’ny levita dia tanàna telo amby folo, avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simeona ary ny fokon’i Benjamina.

Jereo ny toko



Josoa 21:4
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao no fonenany, araka ny fari-bohiny, tao amin’ny zarataniny avy: Ny taranak’i Aarôna, amin’ny fianakavian’ny Kaatita, izay voatendrin’ny filokana voalohany,


Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Levỳ, mbamin’ny taranany avy: Jersôna, Kaata ary Merarỳ. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Levỳ.


I Amrama naka an’i Jôkadeba anabavin-drainy ho vadiny; ka io no niteraka an’i Aarôna sy i Môizy taminy. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Amrama.


Ny avy amin’i Kaata dia ny fokon’ny Amramita, ny fokon’ny Jesaarita, ny fokon’ny Hebrônita, ary ny fokon’ny Azielita: ireo no fokon’ny Kaatita.


Dia izao no tanàna sy ny tany manodidina azy, nomen’ny zanak’i Israely, avy amin’ny lovany, ho an’ny Levita, araka ny didin’i Iaveh.


ary tanàna 10 tamin’ny fianakaviana, fokon’i Efraima sy fokon’i Dana, ary antsasa-pokon’i Manase, no azon’ny taranak’i Kaata sisa, tamin’ny loka.


Dia maty i Eleazara zanak’i Aarôna, ka nalevina tao Gabaà, tanànan’i Finea zanany, izay nomena azy ao amin’ny tendrombohitr’i Efraima.