Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 21:26 - Baiboly Katolika

Folo no totalin’ny tanàna omban’ny manodidina azy no an’ny fianakavian’ny zanak’i Kaata sisa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny tanàna rehetra azon’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa dia folo, miampy ny tany manodidina azy avy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny tanàna rehetra azon’ireo tarika sisa taranak’i Kehata dia tanàna folo mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny tanàna rehetra azon’ireo tarika sisa taranak’i Kehata dia tanàna folo mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny tanàna rehetra azon’ny fokon’ny taranak’i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny tanàna rehetra azon'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny tanàna rehetra azon’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa dia folo, miampy ny tany manodidina azy avy.

Jereo ny toko



Josoa 21:26
3 Rohy Ifampitohizana  

Ny avy amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Tanàka sy ny manodidina azy ary i Geta-Remôna sy ny manodidina azy: tanàna roa.


Izao no nomena ny taranak’i Gersôna, anisan’ny fianakavian’ny Levita: avy amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, ilay tanàna fialofan’izay namono olona, dia i Gaolôna, any Basàna, sy ny manodidina azy; ary koa i Bôsrà sy ny manodidina azy: tanàna roa.


ary tanàna 10 tamin’ny fianakaviana, fokon’i Efraima sy fokon’i Dana, ary antsasa-pokon’i Manase, no azon’ny taranak’i Kaata sisa, tamin’ny loka.