Ny antsasak’i Galaada sy Astarôta ary Adraia, tanàna amin’ny fanjakan’i Oga, any Basàna, dia nomena ny taranak’i Makira zanak’i Manase, dia ny antsasaky ny taranak’i Makira, araka ny fianakaviany.
Josoa 13:32 - Baiboly Katolika Izany no lova nozarain’i Môizy fony izy tany amin’ny tany lemak’i Moaba, any an-dafin’i Jordany tandrifin’i Jerikô any atsinanana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo no voazaran’i Mosesy ho lova tany amin’ny lemak’i Moaba tao andafy atsinanan’i Jordana tandrifin’i Jeriko. DIEM PROTESTANTA Ireo tany ireo no voazaran’i Mosesy teny atsinanan’i Jerikao, ampita atsinanan’i Jôrdàna, fony izy tao amin’ny lemak’i Môaba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo tany ireo no voazaran’i Mosesy teny atsinanan’i Jerikao, ampita atsinanan’i Jôrdàna, fony izy tao amin’ny lemak’i Môaba. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no voazaran’i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan’i Jordana tandrifin’i Jeriko. Malagasy Bible Ireo no voazaran'i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jeriko. La Bible en Malgache Ireo no voazaran’i Mosesy ho lova tany amin’ny lemak’i Moaba tao andafy atsinanan’i Jordana tandrifin’i Jeriko. |
Ny antsasak’i Galaada sy Astarôta ary Adraia, tanàna amin’ny fanjakan’i Oga, any Basàna, dia nomena ny taranak’i Makira zanak’i Manase, dia ny antsasaky ny taranak’i Makira, araka ny fianakaviany.
Tsy mba nomen’i Môizy lova ny fokon’i Levì, fa i Iaveh Andriamanitr’i Israely no lovany, araka ny voalazany taminy.
fa ny foko roa sy ny antsasa-poko efa nomen’i Môizy lova tany an-dafin’i Jordany, fa tsy mba nomeny lova teo amin’izy ireo ny Levita.