Izao no loham-pianakavian’izy ireo: Zanaka lahin-dRobena, lahy matoan’i Israely: i Henoka, i Falao, i Hesrôna ary i Karmì. Ireo no fianakavian’i Robena.
Josoa 13:23 - Baiboly Katolika Koa tonga hatrany Jordany ka hatramin’ny faritaniny ny faritanin’ny tarana-dRobena. Izany no lovan’ny tarana-dRobena sy ny fianakaviany dia ny tanàna aman-jana-bohiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny sisintanin’ny taranak’i Robena dia ny amoron’i Jordana. Izay no lovan’ny taranak’i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna mbamin’ny vohitra miankina aminy. DIEM PROTESTANTA I Jôrdàna sy ny morontsiraka no sisin-tanin’ny Reobenita, ao andrefana. Ireo tanàn-dehibe voatanisa ireo, miampy ny tanàna kely miankina aminy, no zaratany nolovan’ny Reobenita ho an’ireo tarika ao anatiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Jôrdàna sy ny morontsiraka no sisin-tanin’ny Reobenita, ao andrefana. Ireo tanàn-dehibe voatanisa ireo, miampy ny tanàna kely miankina aminy, no zaratany nolovan’ny Reobenita ho an’ireo tarika ao anatiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fari-tanin’ny taranak’i Robena dia ny amoron’i Jordana. Izay no lovan’ny taranak’i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny. Malagasy Bible Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Robena dia ny amoron'i Jordana. Izay no lovan'ny taranak'i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny. La Bible en Malgache Ny sisintanin’ny taranak’i Robena dia ny amoron’i Jordana. Izay no lovan’ny taranak’i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna mbamin’ny vohitra miankina aminy. |
Izao no loham-pianakavian’izy ireo: Zanaka lahin-dRobena, lahy matoan’i Israely: i Henoka, i Falao, i Hesrôna ary i Karmì. Ireo no fianakavian’i Robena.
Manolotra ny sisin-tanin’i Efraima, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an-dRobena.
Anisan’ireo novonoin’ny zanak’i Israely tamin’ny sabatra koa i Balaama, mpanao hitsakandro, zanak’i Beôra.