Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jona 4:6 - Baiboly Katolika

Ary i Iaveh Andriamanitra, nampaniry tanantanamanga, izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasy, mba hialokalofan’ny lohany mba hanafahana azy amin’ny alahelony; ka nahatsiaro faly erỳ i Jônasy tamin’ny tanantanamanga.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO Andriamanitra nanomana tanantanamanga ka nampaniriny izany, hialokalofan’i Jona, ho alokaloky ny lohany sy hanafaka azy amin’ny manjo azy. Dia nahafaly an’i Jona indrindra ny tanantanamanga.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tampotampoka teo dia nampaniry tanantanamanga avo mihoatra ny tsanganan’i Jônà ny TOMPO Andriamanitra mba hialokalofany sy hanafaka ny hasosorany; ary nahafaly an’i Jônà tokoa io zavamaniry io.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tampotampoka teo dia nampaniry tanantanamanga avo mihoatra ny tsanganan’i Jônà ny TOMPO Andriamanitra mba hialokalofany sy hanafaka ny hasosorany; ary nahafaly an’i Jônà tokoa io zavamaniry io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an’i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an’i Jona indrindra ny tanantanamanga.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an'i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona indrindra ny tanantanamanga.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO Andriamanitra nanomana tanantanamanga ka nampaniriny izany, hialokalofan’i Jona, ho alokaloky ny lohany sy hanafaka azy amin’ny manjo azy. Dia nahafaly an’i Jona indrindra ny tanantanamanga.

Jereo ny toko



Jona 4:6
11 Rohy Ifampitohizana  

Toy ny mpanompo maniry alokaloka, toy ny mpikarama miandry ny karamany,


Te hanara-maso izay zava-mandalo va ianao? fa maniry elatra ny harena, ka misidina ho eny an-danitra, toy ny voromahery.


Faly i Ezekiasa tamin’ny nahatongavan’ireo iraka ireo ka nasehony azy ny trano fitahirizany ny rakiny, ny volafotsy amam-bolamena, ny zava-manitra aman-diloilo sarobidy, ny trano fitahirizam-piadiany, mbamin’izay rehetra tao amin’ny trano firaketany; tsy nisy tsy nasehon’i Ezekiasa an’ireo na ny tao an-tranony, na ny teo amin’ny fanjakany rehetra.


Dia mifaly ianareo amin’izay zava-poana; ianareo manao hoe: «Tsy tamin’ny herinay va, no nahazoanay fahefana?»


Dia nivoaka ny tanàna i Jônasy, ka nipetraka teo atsinanan-tanàna, nanao trano rantsan-kazo ho azy, sy nipetraka nialokaloka teo ambonin’io mandra-pahitany izay hanjò ny tanàna.


Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana, dia nandefa fositra i Iaveh hamely ilay tanantanamanga, ka tonga maina izy.


Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.»


ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana;