Raiki-tahotra i Jôsafata ka dia ny hangata-bonjy amin’i Iaveh no nahatapahan’ny heviny, ary nanendry andro fifadian-kanina hataon’i Jodà rehetra izy.
Jona 3:7 - Baiboly Katolika Ary nantsoina tao Niniva sy nolazaina araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka aminy izao teny izao: «Aza misy manandrana zavatra akory na miraotra sy misotro rano, na olona na biby, na omby aman’ondry; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka dia nasaina nantsoina sy nambara manerana an’i Ninive hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona na biby fiompy, dia ny ondry aman’osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. DIEM PROTESTANTA Dia nasainy nambara nanerana ny tanàna izao didim-panjakana izao: «Araka ny didin’ny mpanjaka sy ny minisitra, dia rarana ny olona sy ny biby tsy hihinana na inona na inona na hisotro rano akory. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nasainy nambara nanerana ny tanàna izao didim-panjakana izao: «Araka ny didin’ny mpanjaka sy ny minisitra, dia rarana ny olona sy ny biby tsy hihinana na inona na inona na hisotro rano akory. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nasaina nantsoina sy nambara eran’i Ninive araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman-osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. Malagasy Bible Ary nasaina nantsoina sy nambara eran'i Ninive araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman'osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. La Bible en Malgache Ary araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka dia nasaina nantsoina sy nambara manerana an’i Ninive hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona na biby fiompy, dia ny ondry aman’osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. |
Raiki-tahotra i Jôsafata ka dia ny hangata-bonjy amin’i Iaveh no nahatapahan’ny heviny, ary nanendry andro fifadian-kanina hataon’i Jodà rehetra izy.
Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron’ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan’ny Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra.
Endrey izany fitolokon’ny biby; Mihoalahoala ny andian’omby, satria tsy manan-kanina izy, miferinaina mbamin’ny andian’ondry.
Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.