Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jona 2:8 - Baiboly Katolika

Raha reraka tao anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro an’i Iaveh aho; ka tonga hatrany aminao ny fivavahako, hatrany an-tempolinao masina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha reraka ny fanahiko tato anatiko dia nahatsiaro NY TOMPO aho. Tonga tao Aminao ny vavaka ataoko, dia tao amin’ny tempolinao masina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha iny efa ho faty iny aho, dia nahatsiaro Anao, TOMPO ô, ary ny vavaka nataoko taminao dia tonga tao an-tempolinao masina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha iny efa ho faty iny aho, dia nahatsiaro Anao, TOMPO ô, ary ny vavaka nataoko taminao dia tonga tao an-tempolinao masina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an’i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin’ny tempolinao masina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha reraka ny fanahiko tato anatiko dia nahatsiaro NY TOMPO aho. Tonga tao Aminao ny vavaka ataoko, dia tao amin’ny tempolinao masina.

Jereo ny toko



Jona 2:8
11 Rohy Ifampitohizana  

Nolaviny ny lalàny amam-panekempihavanana nataony tamin’ireo razany mbamin’ny teny vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinona izy, ka niraiki-po tamin’ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran’i Iaveh tsy halainy tahaka.


Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatrao ny lalako, fantatrao fa any an-dalana izorako, amelaran’ireny fandrika hamelezana ahy.


Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.


Fa izaho kosa, ry Iaveh, mivavaka aminao, ka amin’ny andro mety, ry Andriamanitra, noho ny hatsaram-ponao lehibe, ekeo ny fangatahako araka ny hamarinan’ny famonjenao.


Adala sy ketrina avokoa izy rehetra; fampianaran-java-poana; dia hazo!


Ry Iaveh, heriko ama-mandako, sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana, ho tonga aminao ny firenena maro, avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe: Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga, sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!


Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharanon’ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano


Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra! Mandrenesa tsara, ry tany, mbamin’izay rehetra monina eo aminao! Efa hitsangan-ko vavolombelona hiampanga anareo ny Tompo Iaveh, dia ny Tompo avy ao amin’ny lapan’ny fahamasinany!


Aza mivily sao mankany amin’ny zava-poana izay tsy hahazoan-tsoa na fahafahana akory, satria zava-poana.