Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jona 2:3 - Baiboly Katolika

ka nanao hoe: «Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho, ary namaly ahy Izy; nitaraina aho tao an-kibon’ny Seoly, ka nihaino ny feoko Ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy izy: Niantso NY TOMPO tamin’ny fahoriako aho dia namaly ahy Izy; avy tao anatin’ny fitoeran’ny maty no nitarainako dia nihaino ny feoko Ianao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka nanao hoe: Tao an-katerena aho, TOMPO ô, no velon-taraina taminao, ka namaly ahy Ianao; tao anatin’ny toeran’ny maty no niantsoako vonjy taminao, ka nihaino ahy Ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka nanao hoe: Tao an-katerena aho, TOMPO ô, no velon-taraina taminao, ka namaly ahy Ianao; tao anatin’ny toeran’ny maty no niantsoako vonjy taminao, ka nihaino ahy Ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka nanao hoe: Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin’ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy izy: Niantso NY TOMPO tamin’ny fahoriako aho dia namaly ahy Izy; avy tao anatin’ny fitoeran’ny maty* no nitarainako dia nihaino ny feoko Ianao.

Jereo ny toko



Jona 2:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny onjam-pahafatesana efa nanodidina ahy; ny riakan’i Beliala efa nampitahotra ahy;


Tiako Izy, satria ren’i Iaveh, ny feoko, ny fitarainako.


Fa nanongilan-tsofina tamiko Izy, ka hiantso Azy aho, ny andro rehetra hiainako.


Fihirana fiakarana Tao anatin’ny fahoriako nitaraina tamin’i Iaveh aho, dia nohenoiny.


Ketraka ny fanahiko ato anatiko, ka izany no ahatsiarovako Anao, eo amin’ny tanin’i Jordany, mbamin’i Hermôna, sy ny tendrombohitr’i Misara.


Nisondrotra mihoatra ny lohako ny rano, ka hoy aho: «Maty aho!»


Iaveh ô, niantso ny Anaranao tany anaty lavaka lalina aho.