Joela 4:2 - Baiboly Katolika dia indro fa hovoriko ny firenena rehetra, ka hoentiko midina ho eo amin’ny lohasahan’i Jôsafata; ary eo no hifandaharako amin’izy ireo, noho ny amin’i Israely vahoakako sy lovako, izay naeliny tany amin’ny firenena, sy noho ny amin’ny taniko izay nozarazarainy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia hangoniko ny Jentilisa rehetra ka hoentiko midina ao amin’ny lohasahan’i Josafata, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin’ny Israely, oloko sy lovako, fa naeliny tany amin’ny Jentilisa izy ireo; ary nozarazarainy ny taniko DIEM PROTESTANTA Hangoniko ny hafa firenena rehetra ka hampidiniko avokoa ho eo amin’ny lohasaha atao hoe «Ny TOMPO no mitsara». Eo no hitsarako azy noho izay rehetra nataony tamin’i Israely vahoakako sy fananako, ka nampielezany azy tany amin’ny firenen-kafa sy nizarazarany ny taniko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hangoniko ny hafa firenena rehetra ka hampidiniko avokoa ho eo amin’ny lohasaha atao hoe «Ny TOMPO no mitsara». Eo no hitsarako azy noho izay rehetra nataony tamin’i Israely vahoakako sy fananako, ka nampielezany azy tany amin’ny firenen-kafa sy nizarazarany ny taniko. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hangoniko ny jentilisa rehetra Ka ho entiko midina ao amin’ny Lohasahan’i Josafata, Ary ao no hifandaharako aminy Noho ny amin’ny Isiraely, oloko sy lovako, Izay naeliny tany amin’ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko, La Bible en Malgache dia hangoniko ny Jentilisa* rehetra ka hoentiko midina ao amin’ny lohasahan’i Josafata, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin’ny Israely, oloko sy lovako, fa naeliny tany amin’ny Jentilisa izy ireo; ary nozarazarainy ny taniko |