Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 4:18 - Baiboly Katolika

Amin’izany andro izany dia hitete avy amin’ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao; ny havoana handriaka ronono; ary ny lohasahan-driaka any Jodà, hitsororohan’ny rano avokoa. Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’i Iaveh, ka handena ny lohasahan’ny Akasià.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driakan’i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao amin’ny tranon’NY TOMPO ka handena ny lohasahan-driakan’i Sitima.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Amin’izany andro izany dia hamokatra divay vao ny tendrombohitra, handriaka ronono ny biby fiompy eny an-kavoana. Hikoriana rano avokoa ny sakeli-dranon’i Joda. Ary hisy loharano hifantsitsitra avy ao an-tranon’ny TOMPO ka hanondraka ny lohasahan’i Sitîma.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’izany andro izany dia hamokatra divay vao ny tendrombohitra, handriaka ronono ny biby fiompy eny an-kavoana. Hikoriana rano avokoa ny sakeli-dranon’i Joda. Ary hisy loharano hifantsitsitra avy ao an-tranon’ny TOMPO ka hanondraka ny lohasahan’i Sitîma.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Amin’izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, Handriaka ronono ny havoana, Ho feno rano ny lohasahan-driak’i Joda rehetra, Ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’i Jehovah Ka handena ny lohasahan-driak’i Sitima.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driakan’i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao amin’ny tranon’NY TOMPO ka handena ny lohasahan-driakan’i Sitima.

Jereo ny toko



Joela 4:18
0 Rohy Ifampitohizana