Joela 4:16 - Baiboly Katolika Hierona avy ao Siôna i Iaveh, ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema Izy; hihorohoro ny tany aman-danitra. Nefa i Iaveh no ho fialofana ho an’ny vahoakany, ho fiarovana ho an’ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 NY TOMPO mierona avy ao Ziona ary mampikotroka ny feony ao Jerosalema ka mihorohoro ny tany aman-danitra; fa NY TOMPO no fialofan’ny olony sy fiarovana mafy ho an’ny Zanak’Israely. DIEM PROTESTANTA Avy ao Tsiôna ny TOMPO no manerona, ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo. Mihorohoro ny tany aman-danitra! Fa ny TOMPO no fialofan’ny vahoakany sy fiarovana ho an’ny Israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy ao Tsiôna ny TOMPO no manerona, ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo. Mihorohoro ny tany aman-danitra! Fa ny TOMPO no fialofan’ny vahoakany sy fiarovana ho an’ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah mierona ao Ziona, Ary mampikotroka ao Jerosalema, Ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan’ny olony Sy fiarovana mafy ho an’ny Zanak’Isiraely. La Bible en Malgache NY TOMPO mierona avy ao Ziona* ary mampikotroka ny feony ao Jerosalema ka mihorohoro ny tany aman-danitra; fa NY TOMPO no fialofan’ny olony sy fiarovana mafy ho an’ny Zanak’Israely. |