Rehefa hiasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary ianao ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany.»
Joela 2:22 - Baiboly Katolika Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa ny kijana any an’efitra efa nihamaitso indray, ny hazo, efa namoa; ny aviavy amam-boaloboka nanolotra ny vokany sarobidy Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-tany efitra, mamoa ny hazo ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka. DIEM PROTESTANTA Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-taniefitra, mamoa ny hazo ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-taniefitra, mamoa ny hazo ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka. Baiboly Protestanta Malagasy Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, Fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, Mamoa ny hazo, Ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka. Malagasy Bible Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka. La Bible en Malgache Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-tany efitra, mamoa ny hazo ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka. |
Rehefa hiasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary ianao ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany.»
Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Ny taona dia ataonao feno ny fanasoavanao tafahoatra; mitsororoka ny menaka amin’ny Dianao.
Satria efa nampionona an’i Siôna i Iaveh, ka nampiononiny ny rava rehetra teo; novany ho tahaka an’i Edena ny efitra teo; ary ho zaridainan’i Iaveh ny tany foana tao. Fifaliana amam-piravoravoana no ho hita ao, mbamin’ny hira fisaorana amam-peo mozika.
Hampitomboiko ny voankazo, mbamin’ny vokatry ny saha, mba tsy hitondranareo intsony latsa ama-mosary eo amin’ny firenena.
Holazaina hoe: «Io tany io efa foana teo, nanjary hoatra ny sahan’i Edena, ary ny tanàna efa rava, lao, nirodana, efa misy mponina hoatra ny tanàna mimanda.»
Ary ianareo kosa, ry tendrombohitr’i Israely, haniry ny rantsanareo, sy hahavokatra ny voanareo ho an’i Israely vahoakako; fa efa akaiky ny hiaviany.
ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany, ary biby be dia be!»
Tamin’izany, ny nankamin’ny antontam-bary roapolo mifatra, tsy nahazo afa-tsy folo; ny nankamin’ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon’ny famarana, tsy nahazo afa-tsy roapolo.
- Fa ny voa afafy hirobona, ny voaloboka, hamoa ny voany; ny tany, hahavokatra ny vokany; ny lanitra, handatsaka ny andony; ary izay sisa amin’ity firenena ity no hataoko tompon’izany zavatra rehetra izany.
Samy tsinontsinona na izay mamboly na izay manondraka; fa Andriamanitra Izay mampaniry ihany no Izy.