Roa amby enimpolo amby zato taona ny andro niainan’i Jareda vao niteraka an’i Enôka izy.
Joda 1:14 - Baiboly Katolika Ireo koa no efa novinanin’i Enôka, ilay fahafito avy amin’i Adama, hoe: «Indro avy ny Tompo, omban’ny olo-masiny tsy tambo isaina, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’i Adama, dia efa naminany ny amin’ireny olona ireny ka nilaza hoe: «Indro, tonga NY TOMPO mbamin’ny masiny tsy omby alinalina DIEM PROTESTANTA I Henôka, ilay taranaka fahafito nandimby an’i Adama, dia efa naminany koa ny amin’ireo olona ireo, ka nilaza hoe: «Indro tonga ny Tompo, otronin’ny anjely masiny tsy tambo isaina, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Henôka, ilay taranaka fahafito nandimby an’i Adama, dia efa naminany koa ny amin’ireo olona ireo, ka nilaza hoe: «Indro tonga ny Tompo, otronin’ny anjely masiny tsy tambo isaina, Baiboly Protestanta Malagasy Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’i Adama, dia efa naminany ny amin’ireny olona ireny ka nanao hoe: ,,Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina Malagasy Bible Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina La Bible en Malgache Ary i Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’i Adama, dia efa naminany ny amin’ireny olona ireny ka nilaza hoe: «Indro, tonga NY TOMPO mbamin’ny masiny tsy omby alinalina |
Roa amby enimpolo amby zato taona ny andro niainan’i Jareda vao niteraka an’i Enôka izy.
Fa indro i Iaveh mivoaka avy amin’ny fonenany, hizaha ny tsy fahamarinan’ny mponina amin’ny tany; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny, ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
dia eo amin’ny lohasahan’ny tendrombohitro, no handosiranareo, fa hipaka hatrany Atsala ny lohasahan’ny tendrombohitro: toy ny nandosiranareo ny horohoron-tany, tamin’ny andron’i Osiasa, mpanjakan’i Jodà, no handosiranareo. Ary ho avy i Iaveh Andriamanitro, ary ny olo-masina rehetra hiaraka aminy.
Fa ny Zanak’olona dia ho avy, amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
Hoy izy: «Tonga avy tany Sinaia i Iaveh, niposaka ho azy ireo avy any Seira Izy; namirapiratra avy ao an-tendrombohitra Faràna Izy, ary nivoaka teo afovoan’ny masina tsy omby alinalina; ary nitselatra ho azy ireo avy eo ankavanany ny tsirim-pahazavana.
Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amen.
Fa ny nohatoninareo dia ny tendrombohitr’i Siôna tanànan’Andriamanitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian’ny Anjely alinalina,
Indro Izy avy eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen.
Dia hitako, sady reko koa ny feon’Anjely maro, nanodidina ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina ary ireo Anti-dahy, ka ny isany dia alinalina sy arivoarivo,