Jeremia 7:1 - Baiboly Katolika Izao no teny nataon’i Jeremia, tamin’ny anaran’i Iaveh, dia toy izao: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO: DIEM PROTESTANTA Nisy baiko avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià ka nandidy azy Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy baiko avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià ka nandidy azy Baiboly Protestanta Malagasy IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: Malagasy Bible Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah: La Bible en Malgache Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO: |
Teny tonga tamin’i Jeremia, momba ny vahoaka rehetra any Jodà, tamin’ny taona faha-4 nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, taona voalohany nanjakan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.
Volafotsy farany, hoy ny olona: satria efa nataon’i Iaveh ao amin’ny fanarian-javatra izy ireo.
Mitsangàna eo am-bavahadin’ny tranon’i Iaveh, ka eo no torio izao teny izao, ataovy hoe: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo rehetra lehilahy amin’i Jodà, izay miditra amin’ireto vavahady ireto, hivavaka amin’i Iaveh.