Ary ny zanaka vavin’i Siôna dia tafajanona toy ny trano bongo anaty tanimboaloboka, toy ny tranotomboka, anaty tanim-boatango, toy ny tilikambo fiambenana.
Jeremia 6:2 - Baiboly Katolika Ilay tsara tarehy, sy fatra-piangola, ilay zanaka vavin’i Siôna, horavako! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aringako ilay tsara tarehy sy mihantahanta, dia i Ziona zanakavavy. DIEM PROTESTANTA Indro rava ianao ry Tsiôna, tanàna tsara tarehy sy miaingitraingitra! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indro rava ianao ry Tsiôna, tanàna tsara tarehy sy miaingitraingitra! Baiboly Protestanta Malagasy Ziona zanakavavy dia ampitoviako Amin’ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka. Malagasy Bible Ziona zanakavavy dia ampitoviko amin'ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka. La Bible en Malgache Aringako ilay tsara tarehy sy mihantahanta, dia i Ziona* zanakavavy. |
Ary ny zanaka vavin’i Siôna dia tafajanona toy ny trano bongo anaty tanimboaloboka, toy ny tranotomboka, anaty tanim-boatango, toy ny tilikambo fiambenana.
Fa izaho nandre feo, toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza, tahaka ny fidrìdridrìdrin’ny vehivavy vao miteraka voalohany, dia ny feon’ny zanaka vavin’i Siôna; fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tanana manao hoe: «Loza no manjò ahy, maty ny aiko, azon’ireo mpamono olona!»
Ahoana re no nanaronan’ny Tompo rahona, noho ny fahatezerany ny zanaka vavin’i Siôna? Navariny aman-tany avy any an-danitra, ny hatsarana kanton’i Israely, tsy tsaroany intsony ity fitoeran-tongony, tamin’ny andro fahatezerany rehetra.
Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao, ry zanaka vavin’i Jerosalema? Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao, ry virjiny, zanaka vavin’i Siôna? Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao; iza no hanasitrana anao?
Ireo nihinan-kanim-pỳ fahizay, dia midaboky ny hanoanana eny an-dalambe; mandamaka eny amin’ny zezika ireo nolanjaina mipetraka amin’ny jaky.
Ny vehivavy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, izay malemilemy sy sarotsarotiny ka tsy sahy manitsaka ny tany amin’ny faladiany akory, dia ho ratsy fijery ny vady mandry eo am-pofoany, sy ny zanany lahy aman-janany vavy,