Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 51:22 - Baiboly Katolika

Ianao no anorotoroako ny lehilahy amam-behivavy, Ianao no anorotoroako ny anti-dahy sy ny zaza; ianao no anorotoroako ny zatovo lahy aman-jatovo vavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ianao koa no nentiko nanorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy; ianao no nentiko nanorotoro ny antitra sy ny tanora; ianao no nentiko nanorotoro ny zatovolahy sy ny zatovovavy;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ianao no nampiasaiko hanorotoroana lehilahy sy vehivavy, na antitra na tanora na ankizy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ianao no nampiasaiko hanorotoroana lehilahy sy vehivavy, na antitra na tanora na ankizy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, Ary hianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, Ary hianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ianao koa no nentiko nanorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy; ianao no nentiko nanorotoro ny antitra sy ny tanora; ianao no nentiko nanorotoro ny zatovolahy sy ny zatovovavy;

Jereo ny toko



Jeremia 51:22
14 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hiakatra hamely azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina, ary novonoin’io tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny fitoerany masina, ny zatovony, tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy, na ny tovovavy, na ny antitra na ny fotsy volo, fa natolony ho eo an-tanany avokoa.


Izay hita rehetra ho voagorobaka, izay voasambotra rehetra ho lavon’ny sabatra.


Ny zanany madinika homontsanina eo imasony, ny tranony hobaboina ary ny vadiny hosavihina.


Ny tsipìkany handripaka ny zatovo; ny naloaky ny kibo, tsy hananany antra; ny zaza tsy hiantran’ny masony.


no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny babo avy any Ejipta; sy ny voasesitany avy any Etiôpia, na tovolahy, na lahiantitra, tsy mitafy, tsy mikiraro, miseho valahana, ho henatr’i Ejipta.


Koa ankehitriny dia izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Nahoana ianareo no nampidi-doza mafy toy izao aminareo, dia izay haharingana anareo ao amin’i Jodà, na ny lehilahy na ny vehivavy aminareo, na ny zaza na ny vao minono aminareo, tsy hisy izay sisa havela akory;


Sabatra hamely ny soavaly aman-kalesiny, mbamin’ireo fakofakon’olona rehetra izay eo afovoany, ka aoka ho toy ny vehivavy ireny! Sabatra hamely ny rakiny, ka aoka horobaina ireny!


Ianao no anorotoroako ny mpiandry ondry sy ny andian’ondriny; ianao no anorotoroako ny mpiasa tany sy ny omby entiny miasa; ianao no anorotoroako ny governora ama-mpanjaka.


Izaho anefa, efa feno ny fahatezeran’i Iaveh, ka sasatra ny mitana izany. Aidino amin’ny ankizy eny an-dalambe izany, sy eo amin’ny fivorian’ny zatovo! Fa samy hosamborina avokoa na lahy na vavy, na ny antitra sy ny efa ela niainana.


Levona azon’ny ranomaso ny masoko, mangotika ny atiko; mitsonika amin’ny tany ny atiko, noho ny ratran’ny zanaka vavin’ny vahoakako, raha ilay toran’ny harerahana iny ny ankizy aman-jaza minono, any amin’ny kianjan’ny tanàna.


Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalambe, ny ankizy sy ny anti-dahy; ny virjiniko aman-jatovoko, lavon’ny sabatra; namono tamin’ny andron’ny fahatezeranao ianao; namono tsy nanana antra ianao!


Na anti-dahy na zazalahy, na zazavavy, na zaza, na vehivavy: vonoy mandra-paharingany avokoa; fa izay misy ny Tao ao aminy kosa, aza hatoninareo. Ary eo amin’ny fitoerako masina, manomboka.» Dia nanomboka tamin’ny anti-dahy teo anoloan’ny trano izy ireo.


Avy any ivelany, dia hovonoin’ny sabatra ny zaza, ary ao anaty kosa dia hisy fivadiham-po; na ny zatovolahy na ny zatovovavy, na ny zaza mbola minono na ny efa antitra.»


Koa ankehitriny, mandehana, asio i Amaleka, ka ataovy anatema avokoa izay azy rehetra; aza mamindra fo aminy fa ataovy maty avokoa, na lahy na vavy, na kely sy mbola minono, na omby na ondry, na rameva na ampondra».