Adala lahy ireo! Noho ny fitondran-tenany mahameloka, sy noho ny helony dia notaritiny hanjò azy ny fijaliana.
Jeremia 5:25 - Baiboly Katolika Ny helokareo no nanakorontana izany filaminana izany; ny fahotanareo no nanala izany soa izany taminareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny helokareo no nampikorontana izany ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo. DIEM PROTESTANTA Ny helokareo no nanakorontana izany firindrana izany, ny fahadisoanareo no nisakana ny soa ho anareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny helokareo no nanakorontana izany firindrana izany, ny fahadisoanareo no nisakana ny soa ho anareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ny helokareo no nampiala izany, Ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo. Malagasy Bible Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo. La Bible en Malgache Ny helokareo no nampikorontana izany ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo. |
Adala lahy ireo! Noho ny fitondran-tenany mahameloka, sy noho ny helony dia notaritiny hanjò azy ny fijaliana.
fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny Tavany tsy hihainoany anareo.
Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, aoka hanao ihany Ianao ho voninahitry ny Anaranao; fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.
ka voasakana ny oram-pararano tsy nisy ny oran-dohataona. Nefa handrim-behivavy janga ny anao, ka tsy nety nahalala menatra ianao.
Izany no tamby, valin’ny fitondran-tena aman’asa ratsinao; izany no vokatry ny haratsiam-panahinao, ka mangidy! Eny, mihatra amin’ny fo izany!
Ka ahoana no itarainan’ny olombelona raha mbola velona izy? Aoka ny fahotany avy no sampy hitarainany!
Lasan’izay ny helokao, ry zanaka vavin’i Siôna, tsy hanesi-tany anao intsony izy. Mamangy ny helokao izy, ry zanaka vavin’i Edôma, asehony miharihary ny fahotanao.