Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Jeremia 5:13 - Baiboly Katolika Ny mpaminany, rivotra foana, fa tsy misy miteny ao anatin’izy ireo»; ka ny tenan’izy ireo ihany no aoka hozoin’izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hanjary rivotra ny mpaminany ary tsy hisy ny teny ao aminy, eny, izany no hanjo azy. DIEM PROTESTANTA Tsinontsinona ihany ireo mpaminaniny, fa tsy ao aminy ny tenin’ny Tompo. Aoka hotodîn’izay lazainy izy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsinontsinona ihany ireo mpaminaniny, fa tsy ao aminy ny tenin’ny Tompo. Aoka hotodîn’izay lazainy izy! Baiboly Protestanta Malagasy Ny mpaminany dia hanjary rivotra, Ary tsy ao am-pony Ilay miteny; Eny, izany no hanjo azy. Malagasy Bible Ny mpaminany dia hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny; Eny, izany no hanjo azy. La Bible en Malgache Hanjary rivotra ny mpaminany ary tsy hisy ny teny ao aminy, eny, izany no hanjo azy. |
Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Sao dia ny hisambo-teny no tadiavinareo? Raha izay tenin’ny mamoy fo anefa, dia entin-drivotra foana.
«Mandra-pahoviana no hanaovanao teny toy izany, sy vava miloaka toy ny tafio-drivotra mifofofofo?
Fa toy ny rahona aman-drivotra tsy misy orana kosa, ny olona mirehaka amin’ny fanatitra hosoka.
Indro fa zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivo-poana ny sampiny.
Ka hoy aho namaly: «Indrisy, ry Iaveh Tompo ô, indreto ny mpaminany milaza amin’izy ireo hoe: Tsy hahita sabatra ianareo, ny mosary tsy hisy, fa homeko fiadanana azo antoka tsara amin’ity fiainana ity!»
Koa izao no lazain’i Iaveh: «Ny amin’ireo mpaminany, maminany amin’ny Anarako ireo, izay tsy nirahiko, ka milaza hoe: Tsy hisy sabatra na mosary amin’ity tany ity! dia sabatra ama-mosary indrindra no handringana ireo mpaminany ireo!
Dia hoy izy ireo: «Andeha, hiray tetika hamely an’i Jeremia isika; fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona, na ny hevitra ao amin’ny hendry, na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany! Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy, ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.»
Fa hoentin’ny rivotra handrasany ny mpiandry anao ary ho lasan-ko babo ny lehilahinao ka dia hangaihay sy ho safo-kenatra ianao, noho ny haratsianao rehetra.
Roa taona sisa, dia haveriko amin’ity fitoerana ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’i Iaveh, nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, avy amin’ity fitoerana ity, ka nentiny ho any Babilôna.
dia niteny i Azariasa zanak’i Osaiasa, sy i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin’i Jeremia hoe: «Milaza lainga ianao; i Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: ‹Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao›.
Tonga ny andro famaizana! Tonga ny andro fanodiavana; vetivety ho fantatr’i Israely izany. Adala ny mpaminany, ny olona tsindriam-panahy mirediredy foana, noho ny haben’ny helokao sy ny fanoheranao mafy.