Jeremia 49:34 - Baiboly Katolika Ny tenin’i Iaveh izay natao tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’i Elama, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’i Elama tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda: DIEM PROTESTANTA Hafatry ny TOMPO azon’i Jeremià mpaminany ho an’ny Helamita, tamin’ny fiandohan’ny fanjakan’i Tsedekià mpanjakan’i Joda. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hafatry ny TOMPO azon’i Jeremià mpaminany ho an’ny Helamita, tamin’ny fiandohan’ny fanjakan’i Tsedekià mpanjakan’i Joda. Baiboly Protestanta Malagasy NY tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’i Elama tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, hoe: Malagasy Bible Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, hoe: La Bible en Malgache Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’i Elama tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda: |
Tamin’ny andron’i Amrafela, mpanjakan’i Senaara, sy i Ariòka, mpanjakan’i Elasara, sy i Kodôrlahômôra, mpanjakan’i Elama, ary i Tadala, mpanjakan’i Gôima,
dia tamin’i Kodôrlahômôra mpanjakan’i Elama, i Tadala mpanjakan’i Gôima i Amrafeta mpanjakan’i Senaara, ary i Ariòka mpanjakan’i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo.
«I Rehoma governora, i Samsaì mpanoratra, mbamin’ny namany sisa, ny avy any Dina, Afarsatàka, Terfala, Afarsà, Erkkoà, Babilôna, Sosa, Dehà, Elama,
Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina.
Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko: ny mpandroba, mandroba; ny mpandrava, mandrava. «Iakaro, ry Elama! Hodidino, ry Meda! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.»
ny mpanjaka rehetra any Zambrì, ny mpanjaka rehetra any Elama, mbamin’ny mpanjaka rehetra any Media;
Tamin’izany taona izany ihany, dia tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesisa, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko tao an-tranon’i Iaveh, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Hananiasa mpaminany, zanak’i Azôra, avy any Gabaôna, nanao hoe:
dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita, sy ny mponina any Mesôpôtamia, Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia,