Fa tian’i Iaveh ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
Jeremia 49:10 - Baiboly Katolika Fa Izaho no nampiboridana an’i Esao, sy nampiharihary ny fiereny, ka tsy afa-miery intsony izy. Ringana avokoa ny taranany, ny rahalahiny, ny mifanakaiky aminy, ka tsy misy intsony izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izaho dia nampitanjaka an’i Esao, ary naharihariko ny fiereny ka tsy mahazo miery intsony izy; ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany ka tsy ao intsony ireny. DIEM PROTESTANTA Izaho no haka ny fanananareo ry taranak’i Hesao, Haharihariko ny fierenareo, ka tsy ho afa-miafina intsony ianareo. Ringana ianareo, mpiray firenena samy taranak’i Hesao; ringana ny mpiara-belona aminareo, ka tsy hisy olona hanao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho no haka ny fanananareo ry taranak’i Hesao, Haharihariko ny fierenareo, ka tsy ho afa-miafina intsony ianareo. Ringana ianareo, mpiray firenena samy taranak’i Hesao; ringana ny mpiara-belona aminareo, ka tsy hisy olona hanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Izaho dia nampitanjaka an’i Esao, Ary naharihariko ny fiereny, Ka tsy mahazo miery izy; Ringana ny zanany Sy ny rahalahiny ary ny namany, Ka tsy ao intsony ireny. Malagasy Bible Izaho dia nampitanjaka an'i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy mahazo miery izy; Ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony ireny. La Bible en Malgache Izaho dia nampitanjaka an’i Esao, ary naharihariko ny fiereny ka tsy mahazo miery intsony izy; ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany ka tsy ao intsony ireny. |
Fa tian’i Iaveh ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po; alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’ireo mandroba antsika, izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.
Homeko anao ny rakitra miafina, sy ny harena voalevona, mba hahafantaranao fa Izaho no Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay niantso anao tamin’ny anaranao.
Ary Izaho kosa dia hanainga ho eny amin’ny tavanao ny morontongotr’akanjonao, hahitan’ny olona ny mahafa-baraka anao.
Misy olona mahay miery amin’ny fierena va, ka tsy ho hitako? - teny marin’i Iaveh- Ny lanitra sy ny tany, moa tsy manerana azy va Aho? - teny marin’i Iaveh.-
Lasan’izay ny helokao, ry zanaka vavin’i Siôna, tsy hanesi-tany anao intsony izy. Mamangy ny helokao izy, ry zanaka vavin’i Edôma, asehony miharihary ny fahotanao.
Raha miery any an-tampon’i Karmela izy, hotadiaviko any, sy halaiko ihany; ary raha miafina ny masoko any anaty ranomasina izy, hodidiako hanaikitra azy any ny bibilava.
Ho raiki-tahotra mafy ny mpiadinao, ry Temàna, mba ho voafongotra rehefa mety ho lehilahy, ao an-tendrombohitr’i Esao.